Alarobia 4 Novambra 2026

Izay ivelomako ankehitriny eo amin’ny nofo dia ivelomako amin’ny finoana ny Zanak’Andriamanitra, Izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy. Galatiana 2:20

 

Vavolombelona mahatoky

Friedrich Wilhelm Baedeker (1823-1906) dia nanao ny asa misionera tany Rosia indrindra indrindra. Teraka tany Alemaina izy, ary nifindra monina tany Angletera : tany no nanorenany sekoly ambony, tao Weston-super-Mare.

Tamin’ny taona 1866, talohan’ny niovany fo ho an’i Kristy, dia nasaina izy hihaino evanjelista fanta-daza iray, Lord Radstock. Nahaliana azy ny hafatra, ka niverina mba hihaino azy izy ny ampitso hariva sy ireo andro nanaraka. Saingy nitandrina fatratra izy mba tsy hifanena amin’ilay mpitoriteny.

Indray hariva anefa izy dia tsy afaka nidify azy. Nasain’i Lord Radstock izy ho ao amina efitra teo anilany, mba hiresaka milamina. Tsy nino ny fisian’Andriamanitra i Baedeker, nefa nandritra ny fifampiresahany tamin’ilay mpitoriteny dia tohina mafy ny fony, ka nisy fiovana tena izy nitranga tao anatiny. Na ny iray tamin’ireo tohan-kevitra narosony aza, araka ny maha tsy mino azy, dia tsy afaka nanohitra ny lahakevitr’i Lord Radstock, ka nanjary nino an’Andriamanitra izy. Niaiky ny maha mpanota azy izy, niaiky tamin’Andriamanitra ny fahamelohany, ary nametraka ny fiainany tamin’ny Tompo Jesosy Kristy. Nanjary feno hafaliana ny fony. Hoy izy nitantara ny nifampiresahany tamin’ilay mpitoriteny : „Tsy mino aho, feno avonavona, niditra tao, ary mpino nanetry tena sy mpianatry ny Tompo kosa no nivoaka. Isaorana anie Andriamanitra, noho izany !” Tatỳ aoriana kely dia nandray an’i Kristy ho Mpamonjiny koa ny vadiny.

Taorianan’ny fiovany fo ho an’i Kristy i Baedeker dia nandeha lavitra nitety ireo firenena any Atsinanana. Tany Rosia izy dia nahazo lalana hitsidika toby sy fonja maro. Nitory ny Filazantsara tamin’ireo voafonja izy, ary nitondra Baiboly an’arivony ho azy ireo sy fanampiana ara-batana.