Talata 3 Novambra 2026

Anaka, arovy ny tenanareo amin’ny sampy. 1 Jaona 5:21

Mandosira ny fanompoan-tsampy. 1 Korintiana 10:14

 

Ny fanompoan-tsampy

Ao amin’ny Baiboly, ny fanompoan-tsampy dia aseho amin’ny lafiny roa : ara-batana sy ara-toe-panahy.

Mazava tsara ny didy roa voalohany nomen’Andriamanitra : „Izaho no Jehovah Andriamanitrao… Aza manana andriamani-kafa, fa Izaho ihany. Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao” (jereo Eksodosy 20:2-4). Marobe efa hatry ny ela, ao amin’ny tontolo jentilisa, ny sampy hazo sy vato, heverina fa maneho an’Andriamanitra. Tsinontsinona ireo zavatra ireo amin’izao fotsiny, nefa ao ambadik’ireo no miafina ireo demonia, sy ny devoly mihitsy.

Taomina isika handà izay rehetra mety ho fifampikasohana amin’ny fanompoan-tsampy. „Aoka tsy ho mpanompo sampy ianareo… mandosira ny fanompoan-tsampy” (1 Korintiana 10:7, 14).

Ny fanompoan-tsampy dia aseho koa amina lafiny ara-toe-panahy, amina lafiny anaty. Niteny Jesosy hoe : „Tsy misy olona mahay manompo tompo roa… Tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy Mamôna (ny harena) ianareo” (Matio 6:24). Mamôna dia ny andriamanitry ny vola. Atỳ aoriana ny apostoly Paoly dia hiresaka momba ireo olona tia vola, ary hanamarika fa ny fieremana (izany hoe ny fitiavan-karena diso tafahoatra) dia fanompoan-tsampy (Efesiana 5:5). Mety hanana sampy hafa ihany koa ny olona : ny asa, ny fahefana, ny fialamboly, sns. Na koa ny „sampy ankehitriny”, dia ny olo-malazan’ny fanatanjahantena, mpanakanto, izay sampy mihelina ka ho lasa. Toy izany koa, „Ny ditra dia toy ny manompo sampy” (1 Samoela 15:23) : ny madi-doha eo amin’ny fisainany, ny manapa-kevitra samirery amin’ny zavatra rehetra, dia samy fanaovana ny tena ho andriamanitra.

Ny sampy dia mibahan-toerana eo anelanelan’Andriamanitra sy isika. Sampy avokoa izay rehetra maka ny toerana tokony ho an’Andriamanitra, eo amin’ny fiainantsika. Koa afaka manontany tena ny tsirairay hoe : manana „sampy” ve aho eo amin’ny fiainako ?