Alatsinainy 2 Novambra 2026
Enga anie ka ho voasoratra ny teniko ! Enga anie ka ho voatomboka eo amin’ny boky ireny ! Enga anie ka ho voasoratra amin’ny vy fanoratana sady voaisy firaka eo amin’ny vatolampy ho mandrakizay izy ! Joba 19:23-24
Misy fikambanana iray manana tetikasa ahafahan’ireo izay maniry hitahiry mariky ny fiainany, hitahiry izany ao anatina solosaina goavana voaro tsara. Afaka mitahiry sombintsombin’ireny marika ireny isika, ho an’ny taranaka mandimby antsika, nefa aoka tsy hanadino fa Andriamanitra, ao anatin’ireo „bokiny”, dia mandrakitra ny zavatra rehetra momba ny fiainantsika :
— Ny fahaterahantsika, ary ny teo alohan’izany koa aza : „Voasoratra teo amin’ny bokinao avokoa ny andro voatendry” (Salamo 139:16).
— Ny lalana diavintsika eto amin’ity tontolo ity, ao anatin’ireo fifaliana sy fahoriana mameno azy : „Manisa ny firenireneko Ianao ; ataovy ao an-tavoahanginao ny ranomasoko ; tsy eo amin’ny bokinao va ireny ?” (Salamo 56:8).
— Ny tenintsika ihany koa dia voasoratra, na teny mahasoa (Malakia 3:16), na teny foana (Matio 12:36).
Amin’ny andron’ny fitsarana farany dia hovelarina ireo boky mirakitra ny asan’ireo izay nandà ny famonjena natolotr’Andriamanitra, sy ilay „bokin’ny fiainana”. Dia hotsaraina araka ny asany ny maty. Izao no fototra hanamelohana ny olona rehetra : „Raha nisy tsy hita voasoratra teo anatin’ny bokin’ny fiainana, dia natsipy tany amin’ny farihy afo izy” (Apokalypsy 20:15). Tsy hiharan’izany ireo izay voasoratra anarana ao amin’ny bokin’ny fiainana ; tsy hoe noho ny asany anefa, fa noho ny asan’i Jesosy Kristy. Nino izy ireo fa maty noho ny fahotan’izy ireo Jesosy, ary nitsangana velona indray mba ho fanamarinana azy ireo. Manana ny fiainana mandrakizay izy ireo ary tsy hohelohina. Jesosy mihitsy no niteny hoe : „Izay mandre ny teniko ka mino Izay naniraka Ahy (mino an’Andriamanitra) no manana fiainana mandrakizay ka tsy hohelohina ; fa tafafindra niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana izy” (Jaona 5:24).