Alahady 1 Novambra 2026
Nohajambain’ny andriamanitr’izao tontolo izao… ny sain’ny tsy mino, mba tsy hiposahan’ny fahazavan’ny filazantsaran’ny voninahitr’i Kristy, Izay endrik’Andriamanitra. 2 Korintiana 4:4
Tsy misy mahalala tsara ny Ray, afa-tsy ny Zanaka sy izay tian’ny Zanaka hanehoana Azy. Matio 11:27
„Hatramin’ny nahitako ny nahafatesan’ny reniko dia tsy afaka hino an’Andriamanitra intsony aho.” Izany no nolazaina mpiara-miasa iray ahy. Marina fa sarotra izaitsizy ny fotoana farany nahaveloman’ny reniny. Niara-nirodana tamin’io fisarahana io ny fiheverany hoe misy „Andriamanitra tsara fanahy” iray, Izay tsy mamela ny olona hijaly sy hitebiteby eo amin’ny fiainana sy ny fahafatesana.
Mifanehatra amina tontolo vontom-pahoriana isika, ka mahatakatra kely ihany ny maha sarotra ho an’olona maro ny hino Andriamanitra fitiavana sy famindrampo.
Nefa ny olana ve tsy ao amin’ny fiheverantsika, indraindray, ny momba Azy ?
Ary raha toa moa Andriamanitra ka hafa noho izay fiheverantsika Azy ? hafa noho izay anorenantsika ny fihetsehampontsika ? hafa ihany koa noho Ilay hidintsika ao am-piangonantsika indraindray ? Ny fitiavany dia tsy mijanona amina fiarovana tsy hiharan’ny toejavatra sarotra eo amin’ny fiainantsika fotsiny, ary ny fahendreny mihoatra lavitra aoka izany noho ny antsika ! Tsy anjarantsika ny miteny izay tokony ho toetran’Andriamanitra. Nanoratra i Saint-Augustin hoe : „Raha takatrao Izy, dia tsy Andriamanitra”.
Fa na tsy takatry ny fisainantsika aza Andriamanitra, Izy kosa dia mampahafantatra ny tenany ao amin’ny Baiboly, izay Teniny. Rehefa mamaky izany isika, dia mahita ny tena maha Izy Azy. Takatsika fa Andriamanitra dia naneho ny tenany tao amin’i Jesosy Zanany, Izay tonga tetỳ an-tany. Jesosy dia nampamirapiratra ny toetra rehetra maha Andriamanitra Azy : fahamasinana, fahamarinana, nefa koa hatsarampo, fitiavana ary famindrampo. Izaho ve te hanaiky hidiran’izany fanehoana an’Andriamanitra ao amin’i Jesosy izany ao anatin’ny foko sy ny fieritreretako ? Amin’izay dia hamirapiratra ho ahy ny fahazavan’ny Filazantsaran’ny voninahitry ny Kristy.