Asabotsy 31 Oktobra 2026

Aza mety hofitahina ianareo ; Andriamanitra tsy azo vazivazina, fa izay afafin’ny olona no hojinjainy. Galatiana 6:7

Ny ran’i Jesosy Zanany no manadio antsika ho afaka amin’ny ota rehetra. 1 Jaona 1:7

 

Faran’ny zavatra rehetra ve ?

Nisendaotra ity lehilahy zokiolona rehefa namaky ny trakitra natolotra azy :

— Fiainana aorianan’ny fahafatesana hoe ? Hadalana inona koa izany ! Ny fiafaran’ny fiainana dia ny fandevenana any amin’ny 2 metatra ambanin’ny tany !

— Ianao izany tsy mino fiainana aorianan’ny fahafatesana ?

— Tsia !

— Ary raha diso hevitra moa ianao ?

— Raha dorana ny fatiko, dia vita ny ady…

Valinteny fiarovantena izany, indrisy fa andraman’olona maro hahafa-po ny tenany. Nefa resaka lehibe loatra izao, ary miha tsy azo ialana kokoa hatrany, arakaraka ny maha manakaiky ny fahafatesana.

Ny olona ve izany natao ho teraka, hiaina ary ho faty toy ny biby ? Ary ny trosany, izay mety ho mavesatra ve, ho voafafa ho azy amina tany matevina na ny afon’ny fandoroana ny faty ?

Tompon’andraikitra ny olona, eo anatrehan’ny Mpahary azy. Andriamanitra no nahary izao tontolo rehetra izao, hainy atao koa ny manangana ny vatantsika ho velona indray ! Aminy dia tsy misy na inona na inona very. Rehefa maty ny vatantsika, „ny fanahy kosa hiverina amin’Andriamanitra, Izay nanome iny” (Mpitoriteny 12:7). Hoy Jesosy amintsika : „Fa tsy misy nafenina izay tsy haseho, na takona izay tsy ho fantatra” (Lioka 12:2). Ary tsy maintsy hampamoahina ny amin’izany isika.

Nefa, manatòna an’Andriamanitra ankehitriny ! Atolony anao ny famelan-keloka, raha mino ianao fa ny ran’i Jesosy Kristy Zanany, Izay maty teo amin’ny hazofijaliana, dia manadio anao ho afaka amin’ny fahotanao. Amin’izay ny fahafatesana dia fanafahana, ho an’ny mpino. Hoy Jesosy tamin’ilay jiolahy nibebaka teo amin’ny hazofijaliana : „Lazaiko aminao marina tokoa : Anio no hihaonanao amiko any Paradisa” (Lioka 23:43).