Zoma 30 Oktobra 2026

Tamin’ny andro fahoriako no nitadiavako ny Tompo. Salamo 77:2

Tsy manadino ny fitarainany (ny fitarainan’ny ory) Izy. Salamo 9:12

 

Jesosy sy ny fisaonana

Ny fisian’ny fahafatesana dia vokatra mivantana nateraky ny tsy fankatoavan’ny olombelona an’Andriamanitra (Genesisy 2:17). Jesosy anefa dia manome antoka sy fanantenana, manoloana ny fahafatesana. Tonga olona tetỳ an-tany Izy mba handresy ny fahafatesana. Hoy Izy tamin’ny apostoly Jaona : „Efa maty Aho, nefa, indro, velona mandrakizay mandrakizay” (Apokalypsy 1:18). Izay rehetra mino Azy dia misitraka ny fandresena azony teo amin’ny hazofijaliana.

Jesosy dia akaiky an’ireo nifanena taminy tao anaty famoizana hava-malala. Tao anaty fianakaviana namana iray dia nifandimby niteny taminy ireo anabavin’ny maty hoe : „Tompoko, raha teto Ianao, dia tsy maty ny anadahiko” (Jaona 11:21, 32). Fiekena ny heriny izany, sady fanehoana alahelo lalina ihany koa. Mety hahatsapa fihetsehampo toy izany koa isika, manoloana ny fahafatesan’olona tiana iray. Nahoana moa Jesosy no tsy niditra an-tsehatra ? Indro Izy niara-nitomany tamin’i Marta sy Maria sakaizany (Jaona 11:35). Avy eo dia natsangany ho velona indray ilay anadahin’izy mirahavavy, noho ny fitiavany sy araka ny heriny amin’ny maha Andriamanitra Azy (and 43-44).

Indray mandeha ihany koa, Jesosy dia nifanehatra tamin’ny fahoriana vehivavy mpitondratena iray vao avy namoy ny zanany lahitokana. Hontsa sy antra ny fony, ka hoy Izy taminy : „Aza mitomany”. Dia natsangany ho velona indray ilay zanakalahy (Lioka 7:12-17). „Fanalavam-piainana” mihelina ihany ireo : mbola tsy ilay fananganana ny mpino rehetra ho velona indray, rehefa miverena ny Tompo.

Jesosy anefa dia tsy Ilay manana fahefana hanova ny toejavatra fotsiny ihany. Te hiaraka amintsika Izy, hatrany anatin’ireo fotoana mangirifiry indrindra amintsika. Fantany avokoa izay manavesatra antsika, te hampionona antsika Izy, ary te hampahita antsika hoe zavatra tena misy sy velona ny fitiavany sy ny fanatrehany.