Alakamisy 29 Oktobra 2026

Aoka tsy hisy eo aminao … na mpanao fankatovana, na mpanandro, na mpanao sikidy, na mpanana ody, na manao ho masim-bava, na mpanadina amin’ny manao azy ho tsindrian-javatra, na mpanao hatsarana, na mpanontany amin’ny maty. Deoteronomia 18:10-11

 

Inona no heverina momba ny hery tsy hita maso ?

Tena misy tokoa ny devoly. Indraindray izy dia miasa amin’ny fomba miafina, ary mampiasa hery tsy hita maso : ny fampiasana izany hery izany sy ny fombany isan-karazany, ny majia, ny famosaviana ary ny fahatsapan-javatra ivelan’ny vavahadin-tsaina… Ireo endrika samihafa isehoan’ny asan’ny devoly ireo dia efa natao hahazatra any anaty tantara foronina sy horonan-tsarimihetsika, eny fa na any anaty bokin’ankizy fanta-bahoaka aza. Araka izany dia afinafenina ny loza aterak’ireny fanao ireny, ary manjary mahasintona kokoa ny hery miafina. Mifamadika amin’izany kosa, ny Baiboly dia mampitandrina mafy antsika mba hisoroka tsy hanao ireny fomba ratsy ireny (Soratra Masina androany). Raha toa isika nanaiky ho voasariky ny fahazarana toy ireny, ny Tenin’Andriamanitra dia milaza amintsika hoe iza no mahay manafaka antsika amin’izany : Jesosy Kristy, Ilay Zanak’Andriamanitra. Izy no Ilay nirahin’Andriamanitra ka tokony hohenointsika. Kristy dia efa naharesy ny devoly, ary efa nandringana azy tamin’ny fahefany (Hebreo 2:14-15).

Maro ny efa niaina ny fanafahana tamin’ireo fangejana rehetra ateraky ny fanaovana asan’ny maizina sy ny tahotra mifandraika amin’izany. Nieken’izy ireo tamin’Andriamanitra ny fahotan’izy ireo, anisan’izany ireo fifamatorany tamin’ireny fanao ireny. Nahafoy ireny izy ireo, mba hanaraka an’i Jesosy Kristy. Dia nomeny fiainam-baovao sy nafahany tamin’ireo fatorana ireo.

„Ary maro izay nino dia tonga ka niaiky sy nilaza ny asany. Ary maro ny mpanao ody no nanangona ny bokiny ka nandoro azy teo imason’ny olona rehetra ; ary nony voatontaly ny tokom-bidiny, dia hita fa volafotsy dimy alina izany. Fatratra toy izany no fandroson’ny tenin’Andriamanitra sy ny heriny” (Asan’ny Apostoly 19:18-20).