Alarobia 28 Oktobra 2026
Aza matahotra… ; fa hatramin’ilay andro voalohany nampiasanao ny fonao hahalala sy hampahory ny tenanao teo anatrehan’Andriamanitrao, dia reko ny teninao. Daniela 10:12
Jehovah no fahazavako sy famonjena ahy ; iza no hatahorako ? Salamo 27:1
Iza no afaka hilaza fa nandritra ny fiainany manontolo dia mbola tsy nahatsapa mihitsy iray amin’ireny tahotra mamely, mamoha, ary mampahalemy ireny ? Ny tahotra dia fihetseham-po mpahazo ny olona rehetra.
Ambaran’ny Baiboly antsika fa misy tahotra iray mihazona ny olona ho andevo, dia ny tahotra ny fahafatesana (Hebreo 2:15). Nefa ambarany koa fa Jesosy Kristy dia efa maty mba hanafaka amin’io tahotra io, ireo rehetra mino ny sorona nataony teo amin’ny hazofijaliana. Tsy midika anefa izany, hoe ny kristiana dia mamazivazy ny fahafatesana, na tsy mahatsapa na inona na inona manoloana ny fahafatesana ; nefa kosa tsy miaina intsony eo ambany vahohon’ny horohoro entin’ny fahafatesana izy. Kristy dia nandresy ny fahafatesana, izay fahavalo efa resy izany, ankehitriny.
Ny mpaminany Daniela dia mpino tena niaina niaraka tamin’Ilay Andriamaniny. Rehefa nandroso taona anefa izy dia nahatsapa horohoro, nanoloana fahitana maro momba ny fiafaran’ny fotoana, fahitana tsy takany mihitsy, ary nampianjera azy tamin’ny tany : „Naharaiki-tahotra ahy indrindra ny eritreritro, ka nivaloarika ny tarehiko… Tsy nisy hery nitoetra tato amiko intsony, na nisy aina sisa tato amiko” (Daniela 7:28 ; 10:17). Soa ihany izy fa afaka nandre ny teny hoe : „Aza matahotra” (andinin-tSoratra Masina androany).
Maro izaitsizy ny zavatra toa mahatahotra, eo amin’ny sehatry ny ara-panahy : ny fotoana sy ny mandrakizay, ny fiampitana mankany ankoatra, ny fitsarana farany…
Nefa ireo kristiana nametraka ny fitokisany amin’i Jesosy dia afaka mamakivaky ireny tahotra rehetra ireny, mitony satria eo amin’ny fanatrehany. Miorina mafy amin’ny Tenin’Andriamanitra ny finoan’izy ireo. „Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo amin’ny fifaliana sy ny fiadanana rehetra amin’ny finoanareo, mba hitomboanareo amin’ny fanantenana, noho ny herin’ny Fanahy Masina” (Romana 15:13).