Talata 27 Oktobra 2026

Aza mety ho vavolombelona mandainga hanameloka ny namanao. Eksodosy 20:16

Ampanalaviro ahy ny zava-poana sy ny lainga. Ohabolana 30:8

Esory ny lainga, ka samia milaza ny marina amin’ny namany avy ianareo rehetra. Efesiana 4:25

 

Mandainga

Amin’izao fotoana izao, ny lainga dia mamonto fatratra ny fifandraisan’ny samy olombelona. Ny haino aman-jery sy pejy Internet maro no mitondra izany, ary resahina ny hoe „fake news” (midika hoe vaovao tsy marina). Hevitra maro aseho ho filazam-baovao no manome antsika sary diso momba izao tontolo izao. Misy fomba fiteny nipoitra antsoina hoe : „ireo marina mifandimbidimby”, fanalefaham-pitenenana ilazana ireo lainga.

Ny rakibolana dia mamaritra ny lainga ho izay rehetra fanambarana diso, iniana lazaina. Ny fanafenana na fanovana ny marina mba hamitahana, dia lainga ihany koa.

Ny kristiana dia miezaka mitandrina fatratra mba hanalavitra ny lainga. Ny lainga no mampiavaka ny toetran’i Satana, izay antsoin’i Jesosy hoe „rain’ny lainga” (Jaona 8:44). Tamin’izany fomba izany no namitahany ny olombelona, hatrany am-boalohany (Genesisy 3:4). Hoy izy nampanantena an’i Adama sy Eva : Mihinàna amin’ny voan’ny hazo voarara, dia ho tahaka an’Andriamanitra ianareo ! Nanomboka teo dia tsy tafala tamin’ny lainga ity tontolo misy antsika ity. Mifanohitra lavitra amin’izany kosa, ampitandreman’ny Baiboly isika, fa any am-parany dia hisy mpaminany mpandainga hiezaka hanala hasina ny fahamarinan’Andriamanitra, mba hanodina ny olona hiala aminy. Hisy „fiàsan’ny fahadisoan-kevitra”, izay hery mampania, hampitombo ny lainga (2 Tesaloniana 2:11). Dia aleon’ny olona hino zavatra tsy hay heverina, toy izay hino izay lazain’Andriamanitra.

Nefa mbola ataon’i Jesosy heno ny feony, amin’ny alalan’ny Tenin’Andriamanitra. Niteny tamin’ny Rainy Izy hoe : „Ny teninao no fahamarinana”, ary maneho ny tenany ho ny „làlana sy fahamarinana ary fiainana” (Jaona 17:17 ; 14:6). Mihoatra noho ny tany aloha rehetra, ankehitriny dia azon’ny olona tsirairay vakina ny Baiboly. Amin’ny alalany, mandraka ankehitriny Ilay „Andriamanitra velona sady marina” dia mbola miantso ny olona rehetra hanatona Azy.