Alatsinainy 26 Oktobra 2026
Mahavonjy tokoa izay manatona an’Andriamanitra amin’ny alalany Izy (Jesosy). Hebreo 7:25
Jesosy Tompontsika … natolotra noho ny fahadisoantsika, ka natsangana indray ho fanamarinana antsika. Romana 4:24-25
Tany Israely, ny Lalànan’Andriamanitra dia nitaky hoe tsy maintsy foanana isaky ny fito taona ny trosa rehetra. Koa androm-pifaliana lehibe izany, ho an’ireo izay novesarana trosa voafafa ho mandrakizay.
Ao amin’ny Baiboly, ireo fahadisoana, ireo fahotana dia aseho matetika ho trosa, tokony hefaina amin’ny fahafatesana : „Fa fahafatesana no tambin’ny ota” (Romana 6:23). Nanome ny zavatra rehetra ho an’ny olona Andriamanitra, ary tsy nitaky taminy afa-tsy fankasitrahana sy fankatoavana. Nefa ny olona nikomy tamin’Ilay Mpahary azy, ka vao mainka nitombo ny trosany, ary ny fahotany nandetika azy lavitra kokoa hatrany an’Andriamanitra.
Nefa onena antsika Andriamanitra, ka naniraka ny Zanany malalany, ho faty hisolo toerana antsika. Noho ny fitiavany ny Rainy sy ny fitiavany antsika, dia tonga Kristy ary nanefa ny sarany notakin’ny fahamarinan’Andriamanitra, Izay tsy mahalefitra ny ota. Teo amin’ny hazofijaliana, nandritra ora telo nanan-danja mandrakizay, Izy, Ilay Zanak’ondrin’Andriamanitra, dia nitondra ireo fahadisoantsika sy niharan’ny fahatezeran’Andriamanitra noho ny ota ! Avy eo Izy dia niantso mafy hoe : „Vita”. Nefain’i Kristy ny zavatra rehetra. Afa-po Andriamanitra, ka nanangana Azy ho velona indray.
Tsy voatery hiandry fetrandro fito taona isika vao hafahana. Tsy mila fe-potoana mihitsy izany, Andriamanitra dia te hamindra fo sy afaka mamindra fo amin’ny olona rehetra. Ampy ny manatona ny Tompo Jesosy, miaiky aminy ireo fahadisoantsika, ary mino fa maty Izy nisolo toerana antsika ; dia voafafa maimaimpoana ny trosantsika manokana, na ohatrinona na ohatrinona. Nefa misy fetra io tolotra io, hikatona tsy ho ela ny varavarana. Mbola fotoana izao : manatòna anio, mba hangataka ny fanamarinam-pandoavam-bolanao manokana ! Efa nefaina ny trosa rehetra.