Alahady 25 Oktobra 2026

Hoy Andriamanitra tamin’i Mosesy : IZAHO, IZAY IZY. Eksodosy 3:14

Ry Jehovah … ô, … Ianao dia Ianao ihany no Andriamanitry ny fanjakana rehetra ambonin’ny tany ; Ianao no nanao ny lanitra sy ny tany. Isaia 37:16

 

„IZAHO, IZAY IZY”

„Izaho, Izay Izy”. Mivembena ny sainay Ary miankohoka izahay, manoloana ny maha tsy misy fetra Anao. Ry Andriana, Finaritra, Fahendrena tsy hay hatonina, Tsy nisy ny fotoana, ary Ianao, Ianao dia nitoetra.

 

Naniry zanaka hibanjina ny voninahitrao Ianao, Ary nametraka drafitra mba hahazoanao azy ireo ho Anao. Nahary izao tontolo rehetra izao Ianao, ary namolavola ny olombelona ; Tonga nitady azy ny Zanakao, mba hitondra azy ho eo aminao.

 

Mitsaoka anao izahay, ry Andriamanitra lehibe, dia Ianao Ilay tsy miova, Ilay tsy miova na oviana na oviana, tsy hiova mandrakizay, Ianao Ilay nifidy anay talohan’ny taona rehetra, Ianao Ilay nitia anay tamina fitiavana mandrakizay !
Antsa sy Hira fiderana — Laharana 188, fanontana 2022

„Jesosy Kristy no tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay” (Hebreo 13:8).

„Hoy Jesosy taminy : Lazaiko aminareo marina tokoa : Fony tsy mbola ary Abrahama, dia Izy Aho” (Jaona 8:58).