Asabotsy 24 Oktobra 2026

Hoy Mosesy tamin’Andriamanitra : Indro, rehefa tonga any amin’ny Zanak’Israely aho ka manao aminy hoe : Andriamanitry ny razanareo no efa naniraka ahy ho atỳ aminareo, ary hanao amiko hoe kosa izy : Iza moa no anarany ? dia ahoana no havaliko azy ? Ary hoy Andriamanitra tamin’i Mosesy : IZAHO, IZAY IZY HATRIZAY HATRIZAY KA HO MANDRAKIZAY. Eksodosy 3:13-14

 

Ny anarana fahazaton’Andriamanitra

Nitady trano hipetrahana i Mike sy Reema, mpivady misionera, niaraka tamin’i Sadiiq, mpandraharaha fivarotana sy fampanofana trano. Teny ambony fiara dia velona ny resaka :

— Andriamatoa Sadiiq, hoy i Reema, ireo namanay arabo dia milaza fa manana anarana 99 Andriamanitra.

Sadiiq dia mihevitra fa tsy misy ny anarana fahazaton’Andriamanitra, fa i Reema kosa dia mihevitra fa ny anarany voalohany izany, satria ny anarana 99 hafa, raha ny marina, dia anaram-boninahitra. Nambarany fa ao amin’ny Baiboly io anarana io, nefa hoy i Sadiiq namaly :

— Mbola tsy nahare izany mihitsy aho. Ary inona izany anarana izany ?

Dia nolazain’i Reema tamin’ny teny arabo ilay anarana nambaran’Andriamanitra an’i Mosesy hoe : „IZAHO, IZAY IZY”. Niova tampoka ny endrik’i Sadiiq. Niherika izy mba hahare tsara kokoa.

— Inona no nolazainao ? Naverin’i Reema ilay anarana. Gina tsy nahateny i Sadiiq… Nanontany tena i Mike sy Reema hoe inona no mahazo azy. Nanohina azy mafy ilay teny henony, ka namerina nanontany izy hoe :

— Inona no nolazainao ?

Namaly i Reema, ary naverin’i Sadiiq indimy ny fanontaniany. Nony fanindiminy izy dia nanangan-tanana sady nibaradaka hoe :

— Heveriko fa marina izany ! Indraindray, rehefa marina ny zavatra iray, dia fantatro ato am-poko izany, alohan’ny hahatakarako hoe nahoana, ato an-tsaiko. Ary io anarana io… rehefa notononinao… dia nahatsapa zavatra aho… nanenika ny tenako manontolo… tahaka hery ! Nanomboka tamin’io andro io i Sadiiq dia namangy tsy tapaka azy mivady, mba hiara-mianatra ny Baiboly amin’i Mike.

(araka an’i R. Goode)