Zoma 23 Oktobra 2026
Fa hoy Jesosy taminy : Mandehana ianao, ry Satana, fa voasoratra hoe : „Jehovah Andriamanitrao no hiankohofanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao”. Dia nandao Azy ny devoly, ary indreo, nisy anjely tonga ka nanompo Azy. Matio 4:10-11
Jesosy dia nandrava ireo fakam-panahy nasisiky ny devoly, tamin’ny namaliany azy intelo hoe : „Voasoratra hoe”. Toy izany koa, raha maka fanahy antsika ny devoly, isika ihany koa dia afaka manohitra sy mandroaka azy amin’ny fanononana teny ao amin’ny Baiboly, ny Tenin’Andriamanitra.
Angamba nanisi-kevitra izy hoe tsy tena voavonjy ianao, satria tsy nanao asa soa. Voasoratra hoe : „Fa fahasoavana no namonjena anareo, amin’ny finoana ; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin’Andriamanitra ; tsy avy amin’ny asa, fandrao hisy hirehareha” (Efesiana 2:8-9).
Na koa, ataony izay hinoanao hoe satria manohy manota ianao, dia tsy tena zanak’Andriamanitra. Voasoratra hoe : „Izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak’Andriamanitra, dia izay mino ny anarany” (Jaona 1:12).
Nefa ahoana moa no hahazoanao antoka fa voavonjy ianao ary manana ny fiainana mandrakizay ? Voasoratra hoe : „Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny Zanany Lahitokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay” (Jaona 3:16).
Mbola misalasala ihany ve ianao ? Voasoratra hoe : „Fiainana mandrakizay no omen’Andriamanitra antsika, ary ao amin’ny Zanany izany fiainana izany. Izay manana ny Zanaka no manana ny fiainana ; izay tsy manana ny Zanak’Andriamanitra no tsy manana ny fiainana. Izany no nosoratako aminareo, izay mino ny anaran’ny Zanak’Andriamanitra, mba ho fantatrareo fa manana fiainana mandrakizay ianareo” (1 Jaona 5:11-13).
Lahatsoratra maro ao amin’ny Tenin’Andriamanitra no manome ny hery hanoherana an’i Satana sy ny fahaizana mandresy azy, rehefa mitady hanao izay hampisalasala antsika izy, ny amin’ny maha voavonjy antsika ankehitriny sy ho mandrakizay.