Alakamisy 22 Oktobra 2026
Jesosy namaly ka nanao taminy hoe : Lazaiko aminao marina dia marina tokoa : Raha tsy ateraka indray ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakan’Andriamanitra. Jaona 3:3
Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin’ny fanjakan’Andriamanitra izy. Jaona 3:5
Omen’Andriamanitra lesona roa isika, lesona fototra momba ny toetra maha olona. Voalohany, ny olombelona dia mpanota hatrany am-bohoka ary tsy afaka mamonjy tena : „Samy efa nanota izy rehetra, ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra” (Romana 3:23). Faharoa, tsy hay hatsaraina izy. „Ny fo dia mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra, sady manana aretina tsy azo sitranina” (Jeremia 17:9). Izany no antony ilazan’i Jesosy amintsika hoe ilaina ny „ateraka indray”. Ny hoe fahateraham-baovao dia ny mandray fiainana vaovao tanteraka, toetra vaovao. Izay nateraka indray dia (jereo ny andinin-tSoratra Masina etsy ambony) :
— „ateraky ny rano” : Ny rano dia kisarisarin’ny Tenin’Andriamanitra ; io Teny io, izay manadio, no manala tao amin’ny olona ireo fiheviny, ka manolo izany amin’ireo fihevitr’Andriamanitra ambara ao amin’ny Teniny, dia ny Baiboly.
— „ateraky ny Fanahy” : Ny toetra vaovao ananan’ny mpino dia avy amin’ny Fanahin’Andriamanitra. Izay ateraky ny Fanahy dia mandray ny toetran’Andriamanitra.
Rehefa mino izany isika, dia manjary „zanak’Andriamanitra” : „Izay rehetra nandray Azy (Jesosy) dia nomeny hery ho tonga zanak’Andriamanitra, dia izay mino ny anarany, dia ireo izay… naterak’Andriamanitra” (Jaona 1:12-13). Ndao hiaiky fa ny olombelona dia very, tsy afaka mamonjy ny tenany amin’ny heriny samirery. Manaraka izany, ndao hanaiky am-panetrentena ny asan’ny Tenin’Andriamanitra, izay mikasika ny fieritreretana amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina. Rehefa mandray io Teny io amin’ny finoana isika, dia omen’Andriamanitra toetra vaovao tanteraka, noho ny fahasoavany. Fitiavana toy inona tokoa moa izany !