Alarobia 21 Oktobra 2026

(Hoy Jehovah :) Ary hiantso Ahy ianareo, ka handeha sy hivavaka amiko, dia hihaino anareo Aho. Ary hitady Ahy ianareo, dia ho hitanareo Aho, raha katsahinareo amin’ny fonareo rehetra. Jeremia 29:12-13

 

Ny valy omen’Andriamanitra

Tokony ho 150 taona lasa izay dia nisy misionera nifindra monina nankany Afrika-Atsimo, niaraka tamin’ny ankohonany. Naniry izy hitondra ny Filazantsaran’i Jesosy Kristy ho an’ny mponina any amin’io faritra io. Niezaka nanakana azy tsy hanao izany ny taranaky ny mpifindra monina avy any Eoropa nonina tany Afrika-Atsimo, ary nandà tsy hanampy azy. Teo ilay fianakaviana, irery, ary toa tsy ho azo tanterahina ny tetikasa.

Nony farany ilay misionera dia afaka nahazo saretin’omby ihany, ary nanapa-kevitra ny hanainga. Navelany hisafidy ny lalana halehany ireo omby ; na aiza na aiza toerana hitondran’ireo omby azy, dia any no honenan’izy sy ny ankohonany. Nanainga izy ireo ary nandalo faritra taniefitra tamina kilaometatra maro.

Indray andro, nahita olona vitsivitsy tamy manatona azy mianakavy izy. Rehefa akaikikaiky izy ireo dia hitany fa tompon-tany. Nizotra hankany an-tanànan’i Le Cap izy ireo, nanantena hifanena amina misionera izay hiresaka an’Andriamanitra amin’izy ireo. Nanainga izy ireo, nanantena hifanena amin’olona tadiaviny. Namaly vavaka azy ireo Andriamanitra, nitondra azy teo amin’ilay misionera tany anaty voary tanteraka, tany ankebakeban-tany.

Mbola misy hatrany, ankehitriny, tantara toy izany. Andriamanitra dia mitari-dalana ireo izay mitady Azy, mba hahatonga fifanenana toy izao, hahitan’izy ireo ny Tenin’Andriamanitra sy ny famonjena. Isika ve, ao amin’ireo vavaka ataontsika, mba mangataka hiaina toejavatra toy izany ?

Araka ny itaoman’ny andininy voalaza etsy ambony antsika, raha mitady an’Andriamanitra amin’ny fontsika manontolo isika, dia tena hahita Azy tokoa. Mamaly mandrakariva Andriamanitra.