Talata 20 Oktobra 2026

Finoana no anamarinana ny olona, fa tsy ny asan’ny lalàna. Romana 3:28

Tsy nohamarinina tamin’ny asa va Abrahama razantsika ? Jakoba 2:21

 

Finoana sa asa : mifanohitra ve ?

Ohatra ny mifanohitra ny fahitana ny fanambarana sasantsasany ao amin’ny Baiboly, raha vao jerena. Na kristiana resy lahatra aza fa ny Baiboly no fahamarinana, dia taitra indraindray rehefa mampitaha lahatsoratra sasantsasany. Toy izany ireo andininy voatanisa etsy ambony ireo. Na izany aza anefa, ny Tenin’Andriamanitra dia tsy mba misy mifanohitra. Matetika dia mazava ny zavatra rehetra, rehefa apetratsika ao anatin’ny toejava-manodidina azy avy ireny ampahan-teny ireny. Ndao handinika ireo andininy roa ireo.

Ny taratasy ho an’ny Romana dia mampiseho fa mpanota avokoa ny olombelona rehetra. Noho izany dia tsy misy olona afaka hijoro eo anatrehan’Andriamanitra, raha ny asany no ifotorany ; ny finoan’ny olona tsirairay ihany no maha voavonjy azy. Tsy maningana amin’ny hafa tsy akory i Abrahama, ary hoy ny Tenin’Andriamanitra : „Abrahama nino an’Andriamanitra, ka dia nisaina ho fahamarinany izany” (Romana 4:3).

Inona moa ny finoan’i Abrahama ? Nanana fatokiana tsy voahozongozona ireo fampanantenan’Andriamanitra izy, ary nataon’Andriamanitra hoe marina, noho izany. Ankehitriny Andriamanitra dia manamarina ireo izay mino an’i Jesosy Kristy ho Mpamonjiny (Romana 3:25-26 ; 4:25). Na oviana na oviana ny asa ataontsika, na tsara toy inona aza, dia tsy hahatonga antsika ho marina eo anatrehan’Andriamanitra.

Rehefa miresaka asa vokatry ny finoana velona i Jakoba, dia tsy ny hahazoana fahamarinana eo anatrehan’Andriamanitra tsy akory ; fa ireo asa ireo kosa dia porofo-na finoana tena izy eo anatrehan’ny olona. Ny finoana kristiana dia tsy hoe fahatakarana tsy mitera-boka-tsoa ny Baiboly tsy akory, na ara-tsaina be fotsiny. Abrahama dia nolazaina fa „nohamarinina tamin’ny asa”, satria ny asany dia porofo-na finoana velona niteraka vokatra (Jakoba 2:17, 20-24).