Alatsinainy 19 Oktobra 2026
Aza matahotra ianao, fa momba anao Aho ; ary aza miherikerika foana, fa Izaho no Andriamanitrao ; mampahery anao Aho sady mamonjy anao. Isaia 41:10
Tsy irery tsy akory ianao
Tsy irery tsy akory ianao ; ny Rainao, Ilay Rainao be fitia,
Dia mihazona eo an-tanany ny fiainanao sy ny hoavinao.
Tsy irery tsy akory ianao ; Andriamanitra manomana
Ny ampitso tsirairay hahasoa anao etỳ an-tany.
Andrandrao eny aminy ny masonao :
Mahita avy eny an-danitra ambony Izy,
Mahare ireo sentonao rehefa mivavaka ianao.
Tsy irery tsy akory ianao ;
Na oviana na oviana Andriamanitra tsy manadino anao :
Isanandro isanandro Izy mitsinjo anao am-pitiavana.
Tsy irery tsy akory ianao ; na inona na inona mitranga,
Na amin’ny andro mahafaly na amin’ny fotoan-tsarotra,
Tsy irery tsy akory ianao ; ataovy ao an-tanany ny tananao,
Dia ho tony lalandava ny fanahinao.
Hitoetra ao anatin’ny fonao
Ny fahasoavana sy ny fahasambarana,
Ary hanaraka anao amin’ny fiainanao manontolo.
Tsy irery tsy akory ianao ; ny fanatrehana feno fitahiana,
Fanatrehan’i Kristy eo anilanao,
Dia manome anao fiadanana.
Antsa sy Hira fiderana — Laharana 290, fanontana 2022