Alahady 18 Oktobra 2026

Asandrato ny masonareo, ka mijere ; iza no nahary ireny ? Isaia 40:26

Fa Stefana, feno ny Fanahy Masina, dia nibanjina ny lanitra ka nahita ny voninahitr’Andriamanitra sy Jesosy nitsangana teo ankavanan’Andriamanitra. Asan’ny Apostoly 7:55

 

Andrandrao ny maso, eny an-danitra no misy ny hakanto

Nanoratra ity mpanao gazety eo an-toerana hoe : „Andrandrao ny maso, eny an-danitra no misy ny hakanto amin’ny hariva… Amin’izao antenatenan’ny fararano izao no tena fotoana tsara ho an’ny mpaka sary sy ny mpifankatia, mankafy izay foronin’ny lanitra sy fafany mandritra ny minitra mifanesy. Famoronana hosodoko mihelina, ankamamiana na alaina sary ho raikitra. Tsy misy afa-tsy hasambarana, natao hanadinoana kely ny manjombona manodidina”.

Ny Baiboly koa dia mitaona antsika hanandratra ny maso any ambony. Voalohany indrindra, mba hibanjinana ny hakanton’ny voary sy hahitana ao anatin’izany ny halehiben’Ilay Mpahary sy ny fiandrianany. Hoy i Joba : „Ny fanahiny no mahatsara tarehy ny lanitra” (Joba 26:13).

Nefa ao ambadiky ny lanitra hita maso dia taomina ny mpino hahita an’i Jesosy „voasatroka voninahitra aman-daza” (Hebreo 2:9). Ny hakanto asaina banjininy dia ny an’ny Tompo, Izay „tsara tarehy noho ny zanak’olombelona” (Salamo 45:2). Olona Izy, sady Andriamanitra ihany koa. Araka ny maha olona Azy Izy dia nanaporofo ny halavorariny fony niaina tetỳ an-tany, teo anivon’ny olona hafa. Teo amin’ny hazofijaliana, Jesosy dia nanolotra ny ainy masina sy madio, mba hanesorany ny ota tsy ho eo anatrehan’Andriamanitra. Izy no „loharanon’ny famonjena mandrakizay”, ho an’ireo izay mino sy mankatò Azy (Hebreo 5:9). Ankehitriny Jesosy dia ao amin’ny voninahitry ny lanitra, „eo amin’ny tànana ankavanan’Andriamanitra… ka efa nampanekena Azy ny anjely sy ny fahefana ary ny hery” (1 Petera 3:22). Manintona ny mason’ny finoana ny halehibeny, ny voninahitry ny tenany, ny heriny sy ny fitiavany. Taomina isika hibanjina Azy, mba tsy ho ketraka na ho reraka ny fanahintsika (Hebreo 12:2-3).