Asabotsy 17 Oktobra 2026
Tsy misy olona manan-kery … amin’ny andro hahafatesana. Mpitoriteny 8:8
Zava-dehibe eo imason’i Jehovah ny fahafatesan’ny olony masina. Salamo 116:15
Taorianan’ny fahafatesana tampoka nanjo olona iray tao amin’ny tanàna nisy ahy, dia hoy ity vehivavy iray mpifanolo-bodirindrina amiko : „Tsara fahafatesana izy, tsy mba nijaly… na dia mafy ho an’izay tavela aza izany”. Tena fahafatesana tsara tokoa ve izany ?
Ny Baiboly dia milaza amintsika fa misy fomba roa ahafatesana :
— „Sambatra ny maty, dia izay maty ao amin’ny Tompo” (Apokalypsy 14:13).
— „Raha tsy mino ianareo fa Izaho no Izy, dia ho faty amin’ny fahotanareo ianareo”, hoy Jesosy (Jaona 8:24).
Raha toa aho nandray an’i Jesosy ho Mpamonjy, nandritra ny fiainako, dia „fahafatesana tsara” no miandry ahy. Ny mpino dia „nodimandry tao amin’i Jesosy” (1 Tesaloniana 4:14). Na tampoka ny fahafatesana na tsia, na nialohavana fangirifiriana na tsia, ny zava-dehibe dia ny mino fa ny fahafatesan’i Jesosy Kristy dia nandringana „ilay manana ny herin’ny fahafatesana, dia ny devoly” (Hebreo 2:14). Ny mpino dia mahafantatra fa Kristy dia maty noho ny fahotany (1 Korintiana 15:3), ary tsy mba hotsaraina izy.
Ho an’izay maty tsy nitady teo amin’Andriamanitra ny famindrampony sy ny famelany heloka, dia zavatra hafa tanteraka. Ho azy, ny fahafatesana dia mitoetra ho „tambin’ny ota” (Romana 6:23). Hiseho eo anoloan’ny sezafiandrianan’ny fitsarana izy, mba hiharan’ny antsoin’ny Baiboly hoe „ny fahafatesana faharoa”, izay toeram-pijalijaliana mandrakizay.
Andriamanitra irery no afaka mampatoky antsika, manoloana ny fahafatesana. Hoy Jesosy amin’ny mpino isanisany : „Aza matahotra… efa maty Aho, nefa, indro, velona… sady manana ny fanalahidin’ny fahafatesana” (Apokalypsy 1:17-18). „Izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray. Ary izay rehetra velona ka mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay” (Jaona 11:25-26).