Zoma 16 Oktobra 2026
Hiainga aho… ka hanao aminy hoe : Raiko ô, efa nanota … aho ka tsy mendrika hatao hoe zanakao intsony ; fa ataovy tahaka ny anankiray amin’ny olona karamainao aho. Lioka 15:18-19
Satria zanaka ianareo, dia nirahin’Andriamanitra ho ato am-pontsika ny Fanahin’ny Zanany, miantso hoe : Aba, Ray ô. Ka dia tsy mpanompo intsony ianao, fa zanaka. Galatiana 4:6-7
Ao amin’ny toko faha-15-n’ny Filazantsara nosoratan’i Lioka, Jesosy dia mitantara izao fanoharana izao : nitaky ny anjara lovany tamin’ny rainy ny tovolahy iray ary nandao ny tranon-drainy mba „hiaina ny fiainany”. Niaina tao anaty fitondrantena ratsy izy, nandanilany ny fananany rehetra. Nisy mosary lehibe nitranga, nahatafalatsaka azy tao anatin’ny fahantrana sy ny fahoriana. Tamin’izay fotoana izay indrindra no nahatsapany ny fahadisoany sy nahatsiarovany ny fiainam-pahasambarana niainany tao an-tranon-drainy. Nanapa-kevitra hiverina any aminy izy, ary nanomana mialoha izay holazainy : „Raiko ô, efa nanota aho… ataovy tahaka ny anankiray amin’ny olona karamainao” (andinin-tSoratra Masina androany).
Raha mbola lavitra izy dia tazan-drainy. Nihazakazaka nanatona azy izy, namihina azy teo an-tsandriny sy nanoroka azy tam-pitiavana. Tsy afaka nanambara hatramin’ny farany ny teny nomaniny akory ilay tovolahy.
Io tovolahy io dia ohatra ho an’izay rehetra nandray zavatsoa avy tamin’Andriamanitra (aina, fahasalamana, fahaiza-manao zavatra…), nefa nanapa-kevitra hiaina lavitra Azy. Indray andro dia hisy toejavatra tsy ampoizina hanakana azy ireny ary hitarika fahatongavan-tsaina mitondra famonjena ho azy.
Toy ilay ray ao amin’ny fanoharana, Andriamanitra dia manokatra malalaka ny sandriny handray izay mitodika aminy. Rehefa mino ny sorona nataon’i Jesosy Kristy, izay mibebaka noho ny fahotany dia manjary zanak’Andriamanitra, ary mitoetra ho zanany mandrakariva.
Ho valin’ny tenin’ilay tovolahy hoe „ataovy toy ny anankiray amin’ny olona karamainao aho”, dia hoy ny apostoly Paoly hoe : „tsy mpanompo intsony ianao, fa zanaka” !
Ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny fitiavany no nisarihany antsika hanatona Azy, hanovany antsika sy hanandratany antsika ho eo amin’ny laharana zanaka, rehefa mitodika aminy am-patokiana isika.