Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hoy Jesosy taminy : Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana. Jaona 14:6

Fanilon’ny tongotro sy fanazavana ny làlako ny teninao. Salamo 119:105

 

Ilay lalana tena izy

„Azafady, mba afaka manoro ahy ny lalana St-Jacques ve ianao ?” Lany herinaratra ny findaiko, ka tsy manana fomba hafa hanoroana lalana ahy aho, afa-tsy ny manontany izany. „Arabe faharoa miankavia”, hoy ny navaly ahy. Rehefa tonga teo amin’ilay toerana voatondro aho, dia tsy nahita ilay lalana notadiaviko. Sahiran-tsaina mafy aho, ary nanontany mpandalo iray hafa, izay nanome ahy tondrozotra hafa. Narahiko tsara izany, saingy mbola tsy nisy vokany ihany. Nisy olona fahatelo nanontaniako, tsy mahafantatra ilay toerana. Koa aiza àry no hahitako sarintany mba hanoro lalana ahy ?

Io tantara fohy io dia mampahatsiahy ahy ireo safidy ataontsika eo amin’ny fiainana. Mahare torolalana maro isika, mba „hahombiazana eo amin’ny fiainan’ny tena”. Nefa ahoana no fomba hahitana ny mpitari-dalana mahay, ny lalana tena izy, ny „sarintany marina” ? Ny vahaolana dia tsy ho hita, na ao amina fotokevitra fitsipi-pitondrantena tsara, na ao amina dingana ho amina fampivelarana ny tena manokana na ao amina fiezahana ho masina, na ao amina asa fanasoavana na ny fiarovana fotokevitra mahasoa, na tsara toy inona aza ireny. Ireo rehetra ireo dia tsy misy mamaly ny hetahetan’ny fanahy, izany hoe ny hahita ny lalana mankany amin’Andriamanitra sy ny fihavanana aminy. Mety hahatanteraka ny faniriany rehetra ny olona, nefa tsy hahomby eo amin’ny fiainany, satria nanaraka sarintany tsy izy sy nikendry tanjona tsy tandrify. Ny hany lalana tsy hahavoafitaka dia ny mihaino ny feon’ny Tompo Jesosy, Izay miteny amintsika hoe : „Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana”. Ndao hamaky ny Baiboly, dia hahafantatra hoe iza moa Andriamanitra, sy hoe hatraiza ny fitiavany antsika, ary Mpamonjy mahatalanjona toy inona no nomeny antsika. Ndao hitady am-bavaka io lalana io, ilay hany mitondra ho amin’ny tena fahasambarana iriny ho antsika, sy ho amin’ny fiainana mandrakizay ! Nampanantena Izy hoe : „Mitadiava, dia hahita ianareo” (Lioka 11:9).