Alarobia 14 Oktobra 2026

Tsara ny mahatsindry fo noho ny mahery ; ary izay mahazaka ny fanahiny noho izay mahafa-bohitra. Ohabolana 16:32

Aza mety ho resin’ny ratsy ianao, fa reseo amin’ny soa ny ratsy. Romana 12:21

 

Fiovam-po

Naharay taratasy avy tamina mpiasa iray ao amin’ny tranom-pirintiny ny pastora alemàna antsoina hoe Wilhelm Busch (1897-1966). Nanazava io mpiasa io, izay mpiandraikitra ny fanontana pirinty ny toritenin’i Busch, fa tena nikorontan-tsaina mafy rehefa nody avy tany an’ady. Nandritra ny ady izy dia nanatri-maso lainga sy fitaka maro loatra, hany ka tsy nino na inona na inona intsony. Koa sorena mafy izy tsy maintsy manonta toriteny iray isan-kerinandro ! Tsy tiany ny mandray anjara amin’ny fanapariahana hafatra halany ny votoatiny. Koa mba hamoahany ny hatezerany, dia nanao fanahy iniana izy nanisika fahadisoana mivandravandra be tao amin’ny lahatsoratra. Nanampo ny hotezerana mafy izy, satria nila asa fanitsiana goavana, avy eo, ilay fahadisoana nasisiny.

Nefa tsy nisy na inona na inona nitranga. Busch tenany mihitsy no nanao ny fanitsiana… Nampiseho faharipo lehibe aoka izany izy, hany ka nanomboka nahatsiaro menatra ilay mpiasa. Nony farany dia nanao anakampo izy hoe sarobidy angamba ireny hafatra ireny.

Dia nanomboka namaky ireo toriteny izy —hoy ny nosoratany tao amina taratasy iray- tsy tam-pankahalana intsony, fa tam-pahalianana kokoa hatrany. Ary tsy ela dia nahakasika ny fony Andriamanitra.

Izao no namaranany ilay taratasiny ho an’i Busch : „Ankehitriny aho dia mino ato am-poko ny Tompo Jesosy torìnao. Ary faly aho mamaky ny toriteny vaovao isan-kerinandro. Eny, faly aho afaka mandray anjara amin’ny fitoriana ilay hafatra mahatalanjona manambara ny fitiavan’Andriamanitra, Izay tonga tetỳ amintsika tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy.”