Talata 13 Oktobra 2026
Fa ianareo, ry rahalahy… ianareo rehetra dia zanaky ny mazava sy zanaky ny andro ; tsy an’ny alina na an’ny maizina isika. 1 Tesaloniana 5:4-5
Fa raha misy kosa mandeha amin’ny alina, dia ho tafintohina izy, satria tsy misy mazava ao aminy. Jaona 11:10
Andriamanitra dia nanao ny andro sy ny alina, toy ny nanaovany ireo fizaram-taona. Ary ny fiainan’ny olona dia tsy maintsy miditra ao anatin’izany fandehan-javatra nalahatry ny Mpahary izany. Talohan’ny nahafantarana ireo zavatra afaka atao noho ny fisian’ny herinaratra, dia nijanona ny asa aman-draharahan’ny olombelona rehefa hariva, satria tsy nisy hazavana. Jesosy tenany mihitsy no nilaza hoe : „Avy ny alina, ka tsy mahazo miasa ny olona” (Jaona 9:4).
Ny famakiana ny Baiboly no mahatonga antsika hahatakatra ny dikany ara-toe-panahy aman-tsaina sy ara-panahy omen’Andriamanitra ny andro sy ny alina, ny mazava sy ny maizina. Afaka miaina eo akaikin’Andriamanitra, ao anatin’ny hazavany isika, noho izany an’ny andro ; na koa miaina lavitra Azy ao anatin’ny haizin’ny ota sy ny hadisoana, noho izany an’ny alina.
Andriamanitra dia nanome antsika an’i Jesosy Zanany malalany, ho fahazavana. Io fahazavan’ny fanatrehan’i Jesosy io, mbamin’ny fahazavan’ny teniny sy fahazavan’ny asany, dia namiratra tao anatin’ny „alintsika”. Hoy Jesosy : „Izaho no fahazavan’izao tontolo izao ; izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin’ny maizina, fa hanana ny fahazavan’aina” (Jaona 8:12). Indrisy ! ny olona dia nandà tsy hohazavain’io hazavana io, ary nanilika an’i Jesosy. „Aleon’ny olona ny maizina toy izay ny mazava, satria ratsy ny asany” (Jaona 3:19).
Raha nanintona ny fontsika Jesosy, Ilay Zanaka Lahitokan’ny Ray, dia ndao hamela Azy hanazava ny fieritreretantsika. Io hazavana io dia mitondra aim-baovao ho antsika.
Anio io hazavana io, raha raisina am-patokiana sy am-pinoana, dia hahatonga anao ho „zanaky ny mazava sy zanaky ny andro” (andinin-tSoratra Masina androany) ary noho izany, ho vavolombelon’ny Rainao any an-danitra, Izay fitiavana sy fahazavana.