Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Matokia Azy mandrakariva ianareo, ry olona ; loary eo anatrehany ny fonareo ; Andriamanitra no aro ho antsika. Salamo 62:8

Efa nohenoiko ny fitarainanao, ary efa hitako ny ranomasonao. 2 Mpanjaka 20:5

 

Miaraka amin’Andriamanitra, ao anatin’ny fitsapana

Tsy ilaozana fitsapana ny fiainana kristiana. Andriamanitra tsy nampanantena fiainana tsy misy olana ho an’ny mpino. Nefa kosa, amin’ireo fotoan-tsarotra isika dia manana loharanon-kery : mijery an’Andriamanitra. Na miresaka aminy ao anaty vavaka tsy misy afa-tsy tomany aza isika, dia takatr’Andriamanitra ny manjo antsika. Hataony tsapantsika ny fanatrehany. Ny fampiononany dia ny ilazany amintsika fa eo Izy. „Na dia mandeha mamaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho, dia tsy hatahotra ny loza aho, fa Ianao no amiko” (Salamo 23:4). Fantatr’Andriamanitra ny toejavatra andalovantsika, hiaina izany miaraka amintsika Izy. „Fa Jehovah Andriamanitrao no miara-mandeha aminao ; tsy handao anao na hahafoy anao Izy” (Deoteronomia 31:6).

Matoa Andriamanitra mampandalo fitsapana antsika, dia satria manana tanjona ho antsika, tetikasa mifono fitiavana : te hampitombo antsika Izy, te hitondra antsika eo akaikiny kokoa, te hampianatra antsika hahita ny vonjy ao aminy irery ihany, hahafantatra Azy tsara kokoa, hitia Azy tsara kokoa. „Raha be ny ahiahy ato anatiko, dia mampifaly ny fanahiko ny fampiononanao” (Salamo 94:19).

Eny, tsy mora mandrakariva tsy akory ny fiainana eto an-tany. Nefa ho an’ny kristiana, ny fijaliana sy ny ranomaso dia tsy mampamoy fo, satria izy miara-mamakivaky izany amin’ny Mpamonjiny sy ny Rainy any an-danitra. Manana fanantenana hiditra tsy ho ela any an-danitra ihany koa izy, lanitra hitoerany mandrakizay eo amin’ny fanatrehan’Andriamanitra. Hifanatrika amin’ny Mpamonjiny izy (1 Korintianina 13:12). Hifarana hatreo ny fitsapana : Andriamanitra no hamafa „ny ranomaso rehetra amin’ny masony ; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana” (Apokalypsy 21:4).