Alahady 11 Oktobra 2026
Koa samy hampamoahin’Andriamanitra ny amin’ny tenany avy isika rehetra. Romana 14:12
Tsarovy Jesosy Kristy Izay natsangana tamin’ny maty. 2 Timoty 2:8
Mba hanesoany ireo kristiana nanapa-kevitra hanokana ny andro alahady ho an’Andriamanitra, ity mpamboly iray any Illinois (Etazonia) dia nanoratra tamin’ny tonian’ny fanoratana gazety teo an-toerana, hoe : „Tompokolahy, nanao fanandramana aho : manana sahan-katsaka aho, ary niasa azy andro alahady. Namafy teo aminy andro alahady aho. Niasa mandrakariva teo amin’io saha io andro alahady aho. Hamaranako izany, dia andro alahady koa no nijinjako ny vokatra teo aminy. Ary hitako fa tamin’ny volana oktobra aho dia nahazo katsaka isa-metatra tora-droa betsaka kokoa noho ny mpiara-monina amiko rehetra.”
Tsy fantatry ny olona ho kristiana ilay tonian’ny fanoratana gazety, ary noheverin’ilay mpamboly fa hanana fihetsika maneso toa azy koa. Navoaka manontolo tao amin’ny laharan-gazety manaraka tokoa ilay taratasy. Saingy teo ambaniny dia nataon’ilay mpanao gazety nisongadina tsara ny teny famakafakany hoe : Andriamanitra tsy manao ampamoaka amin’ny volana oktobra mandrakariva.
Tsy amin’ny volana oktobra mandrakariva… Nefa ho avy ny andro hamitana tokoa ny „kaontim-piainantsika” amin’Andriamanitra, tsy hoe amin’ny niasana na tsia tamina andro alahady, fa amin’ny fiainantsika manontolo sy amin’ny fiheverantsika an’i Jesosy Kristy Zanany. Anio isika dia mbola afaka mandray Azy ho Mpamonjintsika, sy mihavana amin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny sorona nataony teo amin’ny hazofijaliana.
„Fa isika rehetra dia samy tsy maintsy ho hita toetra miharihary eo amin’ny fitsaran’i Kristy, mba handraisan’ny olona rehetra izay zavatra nataon’ny tenany, dia araka izay nataony, na tsara na ratsy” (2 Korintiana 5:10).