Asabotsy 10 Oktobra 2026
Maria nijanona nitomany teo ivelan’ny fasana ; ary raha nitomany izy, dia niondrika nitsirika ny tao am-pasana, ka nahita anjely roa nitafy lamba fotsy nipetraka teo, ny anankiray teo an-doha tamin’ilay nandrian’ny fatin’i Jesosy, ary ny anankiray teo an-tongotra. Ary hoy ireo taminy : Ravehivavy, nahoana ianao no mitomany ? Jaona 20:11-13
Teo anoloan’ny fasana izy ny marainan’ny Paska, Jesosy tsy tao intsony.
— Nijaly izy : nisaona izy, ary ambonin’izany, toa nisy nangalatra ny fatin’i Jesosy.
Latsaka lalina tao anatin’ny fahoriany izy, ka toa tsy nanaitra azy akory ireo anjely niteny taminy.
— Noraisin’i Jesosy ho zava-mahaliana ny olany : „Hoy Jesosy taminy : Ravehivavy, nahoana ianao no mitomany ? iza no tadiavinao ?” Fantatr’i Jesosy ny fahoriany lalina noho izy tafasaraka taminy.
— Niresaka tan-kalalahana izy : somary sahisahy ihany izy, namaly ilay olona tsy nojereny akory, hoe : „Tompoko, raha Ianao no naka Azy teto, lazao amiko izay nametrahanao Azy, ary izaho dia haka Azy”.
— Nanatona tamin’ny toetra maha olona Azy Jesosy : Noheverin’i Maria ho ny mpiandry saha Izy !
— Naneho ny tenany amin’ny maha Tompo Azy Izy : „Hoy Jesosy taminy : Ry Maria ! Dia nitodika izy ka niteny taminy nanao teny Hebreo hoe : Rabôny ! izany hoe : Mpampianatra ô”. Fantany ny feon’Ilay Mpiandry tsara niantso azy tamin’ny anarany.
— Nanome hafatra mifono fanantenana Izy : „Mandehana mankany amin’ny rahalahiko, ka lazao aminy hoe : Miakatra ho any amin’ny Raiko sy ny Rainareo Aho, ary ho any amin’Andriamanitro sy Andriamanitrareo”.
— Nijoro ho vavolombelona izy : „Dia tonga Maria Magdalena ka nilaza tamin’ny mpianatra hoe : Efa nahita ny Tompo aho ; sady izany teny izany no nolazainy taminy”.
Tiantsika ve ny mizara amin’ny hafa izay fandraisantsika an’i Jesosy, ho antsika ?
Samy hafa ny tantaran’ireo vehivavy dimy ireo, nefa nanova sy nampionona azy ireo, sady nanentana azy ireo hijoro ho vavolombelona ny resaka nifanaovany tamin’i Jesosy. Mbola afaka miaina ny zava-niainan’izy ireo isika, satria „Jesosy Kristy no tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay” (Hebreo 13:8).
(tapitra)