Zoma 9 Oktobra 2026
Fa raha misy mpihaino ny teny, nefa tsy mpankatò, dia toy ny olona mizaha ny tarehiny eo amin’ny fitaratra izy ; fa mijery ny tenany izy, dia lasa, ary miaraka amin’izay dia hadinony ny tarehiny. Jakoba 1:23-24
Ny Baiboly no Tenin’Andriamanitra. Rehefa mamaky azy aho dia mahatsiaro ho voakasika, satria mampiseho tanteraka ny toetran’ny foko izy. Tahaka fitaratra, tsy manafina lesoka, na kely aza, eny amin’ny endriko na ny fitafiako, ny Tenin’Andriamanitra dia milaza amiko hoe iza moa aho, sady tsy mandoka ahy na misoroka izay mety hanelingelina ahy. Ary ny hahasoa ahy no tanjony hatrany.
Isika tsirairay no iantefan’ny hafatra ao amin’ny Baiboly. Amin’ny alalan’izay voasoratra ao, Andriamanitra dia miteny amiko sy mitaona ahy hihaona aminy. Rehefa manoloana ny Tenin’Andriamanitra aho, io Teny io dia mandefa ny tara-pahazavany eo amin’ny fiainako, hatrany amin’izay miafina indrindra, ary mampandroso ahy eo amin’ny fifandraisako amin’Andriamanitra.
Mampiseho ahy ny toetrako ny Baiboly, ary koa maneho amiko hoe iza moa Andriamanitra : Fahazavana, Fitiavana. Ampahafantariny ahy ny fomba mahatalanjona anatonan’Andriamanitra ahy : Jesosy Kristy Zanany, Ilay Mpamonjy maty ho ahy teo amin’ny hazofijaliana, sady koa Ilay Andriamanitra Mpiandry, Ilay Sakaiza mahatoky isanandro.
Araka izany ny Baiboly dia miteny mivantana amiko mba hanazava ahy, hitarika ahy, hampionona ahy ; indraindray koa izy dia mananatra ahy, mampirisika ahy hiova, ka ny tanjon’izany mandrakariva dia ny hanampy ahy hahafantatra tsara kokoa an’Andriamanitra sy handroso eo amin’ny fiainana maha kristiana ahy. „Izay soratra rehetra nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana” (2 Timoty 3:16).
Eto amina tontolo misahirana fatratra hiseho ho tsara etỳ ivelany, dia aza atahorantsika ny hifanatrika amin’ilay fitaratra, ilay Tenin’Andriamanitra, sy hanokana fotoana hamakiana ny Baiboly. Fotoana mitondra fitahiana izany, ary tsy verivery foana, na oviana na oviana ! „Faly aho noho ny teninao, tahaka ny mahazo babo be” (Salamo 119:162).