Alakamisy 8 Oktobra 2026
Ny fanorenana mafy nataon’Andriamanitra dia miorina tsara, sady manana izao tombo-kase izao : „Ny Tompo mahalala ny azy”, ary koa : „Aoka ny olona rehetra izay manonona ny anaran’ny Tompo hiala amin’ny ratsy.” 2 Timoty 2:19
Miteny ihany izy, nefa tsy manao. Matio 23:3
Fianakaviana mampalahelo ! Nangalatra ny volan-dreniny ity zanaka lahy, ilay renim-pianakaviana nanozona ny mpangalatra, izay tsy fantany hoe iza. Avy eo, rehefa niaiky taminy ny halatra nataony ilay zanaka, dia nitsodrano azy ny reniny, fa tsy mba nampahatakatra azy ny halehiben’ny ratsy nataony. Farany izy dia nampamboatra sampy ho an’io zanany io. Hadino tanteraka izany ny Lalànan’Andriamanitra nandrara tsy hanao izany, na dia nifangaro tao amin’ny tenin’ity vehivavy ity aza ny anaran’i Jehovah. Izany dia fanehoana an-tsary mampalahelo izay holazain’i Jesosy atỳ aoriana hoe : „Ity firenena ity manaja Ahy amin’ny molony, fa ny fony kosa lavitra Ahy” (Matio 15:8).
Fampitandremana ho antsika tsirairay izany. Aza manonom-poana ny anaran’Andriamanitra isika, nefa tsy mahatsapa akory ny halehibeny na tsy mihevitra izay ampiarahantsika amin’izany. Ao amin’io tantara io ilay vehivavy dia nitsodrano hoe „Hotahin’i Jehovah anie ny zanako”, nilaza fa nanokana vola „ho an’i Jehovah”, nefa ny ataony nifanohitra tanteraka tamin’izay nolazainy. Raha milaza ho mahafantatra an’Andriamanitra, ary manambara fa te hanaraka an’i Jesosy, dia midika izany hoe manaiky ny fahefany sady manalavitra ny ratsy sy izay tsy araka ny sitrapony.
Ao amin’ny Filazantsara Jesosy dia mametraka fanontaniana manelingelina : „Nahoana ianareo no miantso Ahy hoe : Tompoko, Tompoko, nefa tsy manao izay lazaiko ?” (Lioka 6:46).
Mandraka ankehitriny dia maro ny olona mihambo ho kristiana, nefa tsy miraharaha akory ireo fampianaran’i Jesosy. Tian’Andriamanitra isika hanana teny sy fihetsika mifanaraka, tiany ho tena izy, fa tsy ho mpihatsaravelatsihy !