Alarobia 7 Oktobra 2026
Indro, tonga fiadanana ilay fahoriana mangidy dia mangidy nanjo ahy, ary ny fitiavanao no namonjenao ny fanahiko tsy hankany amin’ny lavaka fahalevonana ; fa narianao teo ivohonao ny fahotako rehetra. Isaia 38:17
„„Ny ran’i Jesosy Zanany no manadio antsika ho afaka amin’ny ota rehetra” (1 Jaona 1:7). Namerina namaky ireo teny ireo aho, sady nanao anakampo hoe : „Tsy natao ho ana mpamono olona tahaka ahy izany.”
Ny alina manaraka aho dia niaina ny ady lehibe indrindra teo amin’ny fiainako. Niantsoantso an’Andriamanitra ny foko, mba hahazo ny famindrampony ; dia namaly ahy Izy. Nony maraina aho dia nahita fiadanam-po. Nomen’Andriamanitra fahazoana antoka aho fa Jesosy dia maty noho ireo fahotako koa. Nanomboka tamin’io fotoana io dia tsy nampahatahotra ahy intsony ny fahafatesana.
Tamin’ny fomba tsy nampoizina, ilay fanamelohana ho faty dia nahena ho figadrana mandra-pahafaty. Tsy fahafatesana intsony no teo anoloako, fa figadrana manirery haharitra ela. Na izany aza anefa dia fantatro fa hiaraka amiko Jesosy. Taorianan’izany aho dia nafindra tany amina ivon-toerana iray fampanaovana asa an-terivozona. Gaga ireo namako nahita ny fifaliana teny amin’ny endriko. Notantaraiko azy ireo ny zavatra niainako. Nihomehy izany ny sasany, ny hafa kosa lasa eritreritra ary nangataka hahazo Baiboly. Nahamarika ny fiovako ny talen’ny fonja, ary nahazo lalana taminy aho, nizara Baiboly telopolo sy trakitra kristiana zato teo ho eo, ho an’ny voafonja. Namana maro no nahita ny famonjena tao amin’ny Tompo Jesosy Kristy. Nanao anakampo aho hoe tsy isalasalana fa fiantombohana asa misiona izao…”
Vao haingana dia nisy olona nivazivazy, nanontany ahy raha efa nahita fahagagana aho. Dia notantaraiko azy ny tantaran’io voafonja io. Ary nahalasa eritreritra azy io tantara io…
(tapitra)