Talata 6 Oktobra 2026

Andriamanitra, Mpamonjy antsika… tia ny olona rehetra hovonjena ka ho tonga amin’ny fahalalana ny marina. 1 Timoty 2:3-4

 

Avy amin’ny haizina ho amin’ny fahazavana (1)

Tany amina firenena iray mampihatra ny fanamelohana ho faty aho dia nasaina nitsidika olona iray voaheloka, tao amin’ny efitrakely igadrany. Nanaitra ahy ny famirapiratry ny endriny. Notantarainy ahy ny tantarany.

„Telo taona lasa izay dia voaheloka ho faty aho, satria namono olona. Koa nanjary tena helo ny efitrakely igadrako. Nanaraka ahy andro aman’alina ny fieritreretana ny fahafatesana efa manakaiky. Mbola nanana herinandro vitsivitsy hahavelomana aho, ary avy eo, ny mandrakizay !

Arakaraka ny nanandramako mandositra io eritreritra io no vao mainka namenoany ahy. Tsy nazoto homana intsony aho, tsy nahita tory intsony koa. Nanapa-kevitra aho hanao tady tamin’ny lamba firakotro, mba hamonoako tena. Saingy nanakana ahy ny fieritreretana ny mandrakizay, satria ny famonoako tena dia hanosika ahy haingana kokoa any.

Indray andro dia nisy nanisika trakitra kely ho ahy. Nanopy maso kely fotsiny tamin’izany aho, ary napetrako ilay izy avy eo. Tamin’ny novakiko voalohany ilay lahatsoratra dia tsy nisy dikany firy loatra. Avy eo dia naveriko novakina ilay izy, ary nanomboka niasa dia eran’ny efitranoko aho. Nisy fahatsapana hafahafa nanenika ahy : namaly hetaheta lalin’ny fanahiko ilay teny novakiko. Nisy fehezanteny iray nisarika manokana ny saiko : „Fa efa tonga ny Zanak’olona hitady sy hamonjy ny very” (Lioka 19:10). Teny natao ho ahy izany ! Faniriana tokana sisa no tato anatiko : ny ho afaka amin’ny vesatra lozan-tany nanindry ahy ! Nefa amin’ny fomba ahoana ?

Nangataka hahazo Baiboly aho, ary nanomboka namaky azy tamina tahotra miharo fanantenana. Tonga teo amin’ny 1 Jaona 1:7 aho, izao no lazainy : „Ny ran’i Jesosy Zanany no manadio antsika ho afaka amin’ny ota rehetra””.

(hitohy)