Alatsinainy 5 Oktobra 2026

Tsara ny eran-tànan’ila misy fiadanana, noho ny eran-tànan-droa misy fisasarana sady misambo-drivotra foana. Mpitoriteny 4:6

Na inona na inona ataonareo, dia ataovy amin’ny fo, tahaka ny ho an’ny Tompo, fa tsy ho an’olona. Kolosiana 3:23

 

Ny fifandanjana eo amin’ny asa sy ny fialam-boly

Amin’ny fihevitr’Andriamanitra, ny asa dia zavatsoa. Adama sy Eva dia nasaina nikarakara ny saha nambolen’Ilay Mpahary. Tatỳ aorianan’ny tsy fankatoavany vao nanjary nanasatra ny asa : „Voaozona ny tany noho izay nataonao… Ny fahatsembohan’ny tavanao no hahazoanao hanina” (Genesisy 3:17, 19). Tsy ny asa no voakasiky ny ozona, fa ny fahasahiranana sy hasasarana aterany.

Ny bokin’ny Mpitoriteny dia miresaka betsaka amintsika momba ny asa, ary manoritsoritra fomba telo hiheverana azy :

— Misasatra entim-po amin’ny asan’ny tena, ka manao azy ho laharan-kamehana voalohany indrindra eo amin’ny fiainana. Inona no tanjon’izany ? „Ny fisasarana rehetra sy ny fahaizan-javatra rehetra… avy amin’ny fifampialonan’ny olona izany” (Mpitoriteny 4:4). Te „hahomby”, manao tsara kokoa noho ilay hafa, afaka manana izay tsy ananany… Izany matetika no antony lalina manosika antsika.

— Mitady izay hiasana kely indrindra azo atao : „Ny adala manohon-tànana ka homana ny tenany” (Mpitoriteny 4:5). Ny kamo dia dify ny sitrapon’Andriamanitra ka manimba ny tenany.

— Mikatsaka ny fifandanjana tsara eo amin’ny fiainana araka asa sy ny fiainan’ny tena manokana, mba hanana fotoana hikolokoloana fifandraisana mihalalina amin’Andriamanitra sy hanompoana Azy, ary koa fotoana ho an’ny hafa. „Ny eran-tànan’ila misy fiadanana” (andinin-tSoratra Masina androany). Ny kristiana dia antsoina hiasa am-pilaminana, mba tsy ho vesatra ho an’iza na iza, sy „mba hisy homeny izay tsy manana” (Efesiana 4:28). Ary aza hadinointsika fa ao amin’ny asa, toy ny ao amin’ireo raharaha hafa ihany koa, ny kristiana dia miasa ho an’ny Andriamaniny (andinin-tSoratra Masina faharoa androany).