Alahady 4 Oktobra 2026
Andriamanitra dia fitiavana 1 Jaona 4:8
(Hoy Davida tamin’Andriamanitra :) Masina Ianao. Salamo 22:3
Ambaran’ny fizarana voalohany ao amin’ny Baiboly (ny Testamenta Taloha) antsika fa Andriamanitra dia manafay ireo tsy fankatoavana ny didiny, tsy fankatoavana antsoina ihany koa hoe „fahotana” (satria marina Izy), nefa kosa te hamela heloka ny olona rehetra (satria tiany izy ireo)… Mba hampifanarahany ny fahamarinany sy ny fitiavany, dia tsy maintsy nisy olona nosazina hisolo toerana ny lehilahy sy vehivavy meloka, mba hahafahany mamela heloka azy ireo. Koa nitaky biby hatao fanatitra Andriamanitra. Raha ny marina, ireny biby tsy nanan-tsiny tsy hita isa ireny dia tsy nahafafa fahotana iray akory, fa naneho fotsiny, teo imason’Andriamanitra, fanatitra iray ho avy, dia ny sorona hataon’i Jesosy Kristy, Ilay Zanak’Andriamanitra.
Ny fizarana faharoa ao amin’ny Baiboly (ny Testamenta Vaovao) dia mampiseho amintsika an’i Jesosy ho Ilay „Zanak’ondrin’Andriamanitra, Izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao” (Jaona 1:29). Jesosy tenany mihitsy no niteny fa nirahin’Andriamanitra Izy mba hamonjy izao tontolo izao (Jaona 3:16-17). Zava-miafina anie izany e… Andriamanitra dia niseho tao amin’i Jesosy tahaka olona, nefa masina, tsy nanana ota. Izy irery ihany, Izay Andriamanitra sady olona, no afaka ho tonga mba ho faty hatao sorona ho an’ny olona rehetra. Jesosy Kristy teo amin’ny hazofijaliana dia nizaka ny sazy mendrika antsika noho ny fahotantsika. Maty Izy mba hitondra ny famelan-keloka avy amin’Andriamanitra sy hanome aina vaovao ho an’izay mino ny sorona nataony.
Taorianan’ny nahafatesany, Jesosy dia nitsangana velona indray, ary olona maro no vavolombelon’izany. Toy ny tamin’ny 2000 taona lasa dia mandalo eto akaikiko koa Izy ankehitriny, miteny amiko an-kamoram-panahy, mahafantatra izay rehetra manahiran-tsaina ahy. Taominy aho hino ny fitiavany ahy. Ahitana tombontsoa ny mihaino Azy amin’ny fomba matotra, mihaino Azy Izay afaka nanokatra ho antsika lalana mankany amin’Ilay Andriamanitra masina, Ilay Andriamanitra fitiavana.