Asabotsy 3 Oktobra 2026
Hoy Jesosy taminy : Izaho no fananganana ny maty sy fiainana ; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray. Ary izay rehetra velona ka mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay. Mino izany va ianao ? Hoy izy taminy : Eny, Tompoko ; mino aho fa Ianao no Kristy, Zanak’Andriamanitra, Ilay ho tonga amin’izao tontolo izao. Jaona 11:25-27
Ao amin’ny Filazantsara nosoratan’i Jaona, Jesosy dia miresaka manokana amina mpirahavavy, Marta sy Maria :
— Nijaly izy ireo : maty i Lazarosy anadahiny, nopaohina aretina tao anatin’ny andro vitsy monja.
— Nanoloana an’i Jesosy izy ireo dia niteny tan-kalalahana : „Tompoko, raha teto Ianao, dia tsy maty ny anadahiko”. Mitovy ny tenin’izy mirahavavy. Nanana alahelo ve izy ireo ? Nanome tsiny an’i Jesosy ho tonga tara loatra ve ?
Isika ve, rehefa ao anaty fotoana fisaonana, tototra teny hoe „raha toa” na manana alahelo amin’Andriamanitra ?
— Noraisin’i Jesosy ho zava-mahaliana ny olan’izy mirahavavy : Hoy Izy tamin’i Marta : „Hitsangana ny anadahinao”. Avy eo Izy dia nandeha hatrany amin’ny fasana, niaraka tamin’i Maria, Marta, ary ireo namany.
— Nanatona tamin’ny toetra maha olona Azy Izy : „Jesosy nitomany”. Nitomany Ilay Andriamanitra Tsitoha, Ilay Mpahary izao tontolo izao ! Tonga olona Izy, mba hiombom-pahoriana amintsika.
— Naneho ny tenany araka ny maha Tompo Azy Izy : „Izaho no fananganana ny maty sy fiainana”. Dia tamin’ny feo mahery Ilay Zanak’Andriamanitra no niantso an’i Lazarosy sy nampivoaka azy avy tao amin’ny fasana.
— Nanome hafatra mifono fanantenana Izy : „Izay rehetra velona ka mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay”.
— Nijoro ho vavolombelona i Marta : „Lasa nandeha [izy] ka niantso mangingina an’i Maria rahavaviny, niteny hoe : Tonga ny Mpampianatra ka miantso anao”.
Isika ve mba maniry hizara amin’ny hafa ireo teny fampiononan’i Jesosy ?