Zoma 2 Oktobra 2026

Iza moa no miteny, ka dia mahatonga izany, raha tsy zavatra efa nodidian’ny Tompo ? Fitomaniana 3:37

Rano velona eo an-tànan’i Jehovah ny fon’ny mpanjaka, ka tarihiny amin’izay tiany. Ohabolana 21:1

 

Fitondran’Andriamanitra sa kisendrasendra ?

Heno matetika ny olona miteny hoe kisendrasendra, na vintana tsara, na vintana ratsy. Ny kristiana ve afaka mampiasa ny teny hoe „kisendrasendra”, amina toejavatra mahafaly na mampalahelo mitranga ? Ny fiheverana hoe kisendrasendra dia tsy misy ifandraisany mihitsy amin’ny finoana, ary midika ho fanilihina an’Andriamanitra. Io Andriamanitra io, nianaran’ny mpino hofantarina amin’ny alalan’i Jesosy Kristy, dia Ilay Ray any an-danitra, Izay manoro lalana ny zanany. Nefa eo amin’ny fiarahamonina misy antsika dia aleo miresaka vintana, toy izay hanaiky hotarihina eo akaikin’Ilay Andriamanitra velona. Mahazatra ny firesahana ny kisendrasendra na vintana, fa ny fiteny hoe „navelan’Andriamanitra hitranga” na „nolavin’Andriamanitra” kosa dia toa tsy resahina loatra.

Amina fihetsika feno fanetrentena sy fatokiana ny kristiana dia afaka mahita ny tanan’Andriamanitra ao amin’ireo zava-mitranga eo amin’ny fiainany. Ny fahatakarana ara-panahy dia ahafahany mamantatra ao amin’ireo tranga ireo ny sitrapon’ny Tompo. Takany ny lalany, raha toa izy tarihin’ny finoana sy fatokiana an’Andriamanitra. Araka izany ny zanak’Andriamanitra dia mety hiaina toejavatra tsy notadiaviny, nefa navelan’Andriamanitra hitranga. Dia mivavaka amin’ny Rainy izy, ka na Izy hanome azy antoka sy hery hanohizany ny lalany, na hanoro azy ny tokony hialany amin’izany. Izany no atao hoe tarihin’ny finoana ! Ho diso lalana isika, raha manaiky ho sondrianan’ireo toejava-mitranga eo amin’ny fiainana, ka miezaka hitantana azy ireo tsy misy an’Andriamanitra. Tsy avy amin’ny kisendrasendra velively ireo, ary tokony hodinihina eo ambany fahazavan’ny Tenin’Andriamanitra sy ao amin’ny fanakaikezana ny Tompo.

„Hanome saina anao sy hampianatra anao izay làlan-kalehanao Aho ; hitsinjo anao ny masoko ka hanolo-tsaina anao Aho” (Salamo 32:8).