Alakamisy 1 Oktobra 2026
Ary nandray zaza Izy ka nametraka azy teo afovoany ; ary raha notrotroiny ilay zaza, dia hoy Izy tamin’ny mpianany : Na zovy na zovy no mandray zaza iray tahaka itony amin’ny anarako, dia mandray Ahy. Marka 9:36-37
Ny sandriny no hanangonany ny zanak’ondry, ka hotrotroiny eo an-tratrany ireny. Isaia 40:11
Nitohy ny fijoroan’ity renim-pianakaviana ity ho vavolombelona : „Nandeha ny fotoana, tsy maintsy niainana mafy faran’izay tratra ilay fotoam-piandrasana niaraka taminy… Nihavao isanandro ny herinay.
Alahady 2 febroary 2014. Nanomboka tsapa ireo fihetsehan-jaza voalohany. Ilay fiterahana natahorako mafy aoka izany dia nahagaga, fa izy no nanjary tsara indrindra tamin’ireo fiterahako. Io izy… Haharitra fotoana firy ? Tsy fantatra… nefa afaka hodidininay amin’ny fitiavanay manontolo izy… aseho an’ireo rahalahiny izay faly erỳ, tao anaty fahatoniana sy fiadanam-po tsy nampoizina. Lasa ny 48 ora, tsy natory izahay, na zara raha natory, mba hanararaotra ny segondra tsirairay sarobidy. 48 ora sy 2 minitra : nijanona tsy nitepo intsony ny fony ; tsy hay natao ny namaha ny sandry mba hamelana azy hody, mafy loatra… nefa dia izay no izy.
Tsapanay ny fanatrehan’Andriamanitra nandritra ireo efa-bolana, nefa ankehitriny dia mahatsapa ho nafoy aho… Mba satry indrindra hitohy amin’ny endrika hafa ny tantara. Manankina zanaka amintsika Andriamanitra, Izy irery ihany no mahalala ny fotoana haharetan’izany. Anjarantsika ny mandray sy mikarakara azy ireny.
Mandraka ankehitriny dia mbola hitanay hatrany ny fiantraikan’ny nandalovan’ilay zanaka kelinay teto an-tany… Feno fankasitrahana izahay, nisafidy anarana ho azy, Jean… namihina teny an-tsandrinay ilay zaza milanja 3 kilao sy 480 ary nirefy 51 santimetatra… nahita ny tsikin’ireo zokiny telo mirahalahy izay faly erỳ. Feno fankasitrahana, nanana hery niainana feno sy tam-piadanana io fihaonana tsy hay hadinoina naharitra 48 ora sy 2 minitra io… Mangirifiry mafy noho ny fisarahana… Ao amin’Andriamanitra no hahitanay ny fampiononana.”
(Fijoroana manokana ho vavolombelona nataon’i SoniaFanomezan-dalan’ny Edisiona Mennonites)