Alarobia 30 Septambra 2026
Jehovah ô, Ianao no ialofako ; aoka tsy ho menatra akory mandrakizay aho … Fa harambatoko sy baterỳ fiarovana ho ahy Ianao ; ary noho ny anaranao no hitondranao sy hitarihanao ahy. Salamo 31:1, 3
„Alarobia 2 oktobra 2013. Mitondra vohoka ny zanako fahefatra aho. Niaraka tamiko ny vadiko, hijery amin’ny sary ako ny fahadimy volan’ny kiboko. Tsapanay navesatra ny fanginan’ilay mpitsabo nanao ny fitarafana. Rehefa niverina tao amin’ny biraony izahay, dia nanazava izy hoe tsy nahita ny ila fony ankavia. Nivoaka avy tao izahay, tsy dia nahatakatra tsara. Zava-doza ny mitranga aminay, tsy afaka ho velona ilay zanakay. Hihalehibe sy hitombo ara-dalàna ihany izy, ato an-kiboko, nefa tsy ho velona afa-tsy minitra vitsy, na farafahelany ora vitsy, aorianan’ny hahaterahany. Nofy ratsy anie izany e !… Nahoana, Tompo ô ?
Tao amin’ny sampan-draharaha momba ny fitsaboana ny fon’ny zaza sy ny ankizy, dia nohazavaina anay ny safidy telo azo hatao :
1. Fanalana ilay zaza.
2. Fandidiana ilay zanakay lahy raha vao teraka, heverin’ireo manampahaizana manokana ireo ho kiribiby ara-pitsaboana.
3. Miandry ny fahaterahan’ilay zaza : mandray azy sy miaraka aminy mandritra ny fotoana fohy hahavelomany.
Nony tafody tany an-trano izahay, dia reko ilay zanakay faharoa (6 taona) nihira hoe : „Kely ny tanako, nefa tsy mampaninona izany, misy anankiray lehibe sy mahery mihazona azy tsara, anankiray tia ahy, dia Jesosy”. Tena marina tokoa izany, eo ny tanan’io zaza io, kely dia kely, marefo dia marefo, nefa efa hazonin’i Jesosy sahady ; tsy niala tato an-tsaiko intsony izany sary mampahery izany.
Na dia sarotra amin’ny saiko aza ny manambara izany, ny finoako kosa, ny finoanay, dia mahafantatra ! Raha ny marina, tokony hisafidy amin’ireo seho naroso ve izahay ? Tsy nisafidy aho. Ny hatoky Azy fotsiny ihany no tadiavin’Andriamanitra. Koa tokony hiditra ao amin’ny drafitr’Andriamanitra ho an’ity zaza ity izahay, ary miala amin’ny fihevitray… Mora lazaina izany, fa sarotra iainana…”
(hitohy)