Talata 29 Septambra 2026

Aoka ho vatolampiko fiarovana mafy Ianao, sy baterỳ fiarovana hamonjena ahy. Salamo 31:2

Andriamanitra no aro sy hery ho antsika ; Mpamonjy mora azo indrindra amin’ny fahoriana Izy. Salamo 46:1

 

Fiarovana azo antoka

Rehefa mitsidika ny tanàna kelin’i Marvejols, any atsimon’i Frantsa, dia mitolagaga mahita ireo varavarany telo tena manaitra, efa tamin’ny vaninandro antenatenany, sy ireo tilikambony vato miara-droa, izay nahatohitra ireo tafiotra. Tamin’izany fotoana izany i Marvejols dia tanàna mimanda mifefy mafy, nisy tilikambo miisa 30.

Iza no tsy te handry feizay hodidinina „rindrin-tanàna mimanda” ? mba ho voaro amin’ny loza. Iza no tsy matetika mahatsapa ho tsy manana fiarovana ? manoloana ireo olana ara-toekarena, ara-piarahamonina sy ara-toepanahy misy amin’izao vanimpotoana iainantsika izao.

Mahatsapa ho tena marefo isika, manoloana ireo loza voajanahary na ireo tafiotra. Nefa Ilay Andriamanitra Mpahary antsika, Ilay Tsitoha, dia tsy miova na oviana na oviana. Mbola Izy hatrany no Tompon’ny lanitra sy ny tany noarìny sy hazoniny. Mbola asainy ambara hatrany ny hafatra entin’ny vaovao mahafaly hoe : „… mba hialanareo amin’izao zava-poana izao, hanatona an’Andriamanitra velona, Izay nanao ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina… Tsy namela ny tenany tsy hanana vavolombelona Izy ; fa manao soa Izy, mampilatsaka ny ranonorana avy eny amin’ny lanitra ho anareo, sady manome taon-jina ka mahavoky ny fonareo amin’ny hanina sy ny fifaliana” (Asan’ny Apostoly 14:15, 17).

Ahoana ny itodihana amin’io Andriamanitra tsara sy mahatoky io ? Miaiky ny fahadisoantsika, mino fa Jesosy Kristy Zanany efa nisolo toerana antsika, teo amin’ny hazofijaliana, nizaka ny fanamelohana mendrika antsika. Nanomboka hatreo Andriamanitra dia mandray antsika ho zanany, ary momba antsika amin’ny heriny miaro, eo amin’ny fiainantsika. Mikarakara fatratra antsika Izy, na inona na inona zava-tsarotra iainantsika, ary manome antoka antsika, hananantsika fiadanana sy fifaliana ao am-pontsika, ankehitriny sy ho mandrakizay.