Alatsinainy 28 Septambra 2026
Fa vovoka ianao, ary hiverina ho amin’ny vovoka indray ianao. Genesisy 3:19
Mampianara anay hanisa ny andronay, hahazoanay fo hendry. Salamo 90:12
Avotra tamina fanafihana namoizana ain’olona ity vehivavy iray, miezaka mianatra miaina indray ao amina tontolo mampitebiteby kokoa hatrany. Tsapany fa kofehy kely fotsiny no mihazona ny aina. Vonoana olona, loza, aretim-po… mety hahazo antsika tampoka ny fahafatesana. Izany dia mampahatsiaro antsika ny fahosantsika, ny tsy fahafahantsika mitantana, mifehy, maminavina mialoha ny zavatra rehetra, mampahatsiaro koa ny fiafaran’ny olombelona tsirairay. Ampianarin’ny Baiboly antsika izany :
„Jehovah ô, ampahafantaro ny farako aho, sy izay ohatry ny androko ; aoka ho fantatro fa olon-kandalo aho” (Salamo 39:4).
„Tahaka ny ahitra ny andron’ny zanak’olombelona ; tahaka ny vonin-javatra any an-tsaha ny famoniny, satria tsofin’ny rivotra izy ka lasa” (Salamo 103:15-16).
Koa ny fahatsapana io harefo io dia mampitodika antsika amin’Ilay Mpahary antsika, Izay mahafantatra fa vovoka isika. Ny fahafatesana dia vokatra mivantana avy tamin’ny tsy fankatoavan’ny olona an’Andriamanitra (Romana 5:12), nefa Andriamanita dia tia ny olona noarìny, ary tsy te hamela azy ireo hiverina ho amin’ny vovoka, raha tsy efa nanome azy fanantenana. Ireo rehetra mino an’i Jesosy Kristy dia omeny fiainana mandrakizay. Koa ndao àry hianatra hanisa ny androntsika, ary handray io tanana mitsotra io, alohan’ny hiafaran’ny fiainantsika, izay fohy, dieny mbola tsy tara loatra !
Ary raha efa mitoky amin’Andriamanitra isika, dia ndao hampiasa ny fotoana fohy sisa anjarantsika, mba hiaina feno ny finoana kristiana ananantsika, hijoro ho vavolombelon’i Jesosy sy hanao izay sitrany. Fampaherezana toy inona moa ny mahalala ihany koa fa raha antsoin’Andriamanitra tampoka ho any aminy isika, amin’ny alalan’ny fahafatesana, dia ho eo amin’ny fanatrehana mandrakizay Ilay Mpamonjy malalantsika !