Alahady 27 Septambra 2026
Fa aiza kosa no hahitana ny fahendrena ? Ary aiza no fitoeran’ny fahalalana ? Joba 28:12
Ao amin’Andriamanitra kosa no misy fahendrena sy hery ; Izy no manana hevitra sy fahalalana. Joba 12:13
„Ahoana ny fomba hijanonana amin’ny maha izy azy ny tena sy hifanarahana amin’ity tontolo ity ? Hanjary tia kokoa sy tsara toetra kokoa ve ? Hahita ny lalan’ny fanafahana anaty ? Hitombo ao anaty fifaliana sy hahita fahatoniana ?” Fanontaniana maro nezahina filôzôfa ankehitriny iray novaliana tao amin’ny bokiny hoe : „Ny fahendrena hazavaina amin’ireo izay mitady izany”. Nanomboka tamin’ny fahagolantany ny olona dia efa nikaroka ny fahendrena, nefa nikatsaka izany tamin’ny alalan’ny sainy. Ny Baiboly anefa manambara hoe : „Tsy nampodin’Andriamanitra ho fahadalana va ny fahendren’izao tontolo izao ?” (1 Korintiana 1:20). Inona no anton’izany teny henjana izany ? Angaha tsy tsara ny mikatsaka ny fahendrena ? Raha ny marina, dia tsy misy ny tena fahendrena ivelan’ny fahalalana an’Andriamanitra. Solomona, ilay mpanjaka hendry, dia nilaza hoe : „Ny fahatahorana an’i Jehovah no fiandoham-pahendrena” (Ohabolana 9:10).
Iza anefa ireo nanome hevitra voalohany hanomboana an’i Jesosy eo amin’ny hazofijaliana ? Ireo mpitana ny fahalalana ara-pivavahana, ireo hendry tamin’izany vanimpotoana izany. Izany no fiafaran’ny fahendren’olombelona ! Nefa avy tamin’ny fahafatesan’i Jesosy indrindra Andriamanitra no manolotra ho antsika ankehitriny, noho ny fahasoavany, fahendrena ao amin’i Jesosy, Izy Izay nantsoina hoe „fahendren’Andriamanitra” (1 Korintiana 1:24, 30). Izay matoky an’i Jesosy Kristy dia afaka manana fifandraisana amin’Ilay „Andriamanitra tokana ihany sady hendry” (Romana 16:27), ary afaka mahita io fahendrena io, fahendrena avy any ambony, afaka mahita ilay fomba fijery marina ny zavatra rehetra. Ao amin’ny Teniny Andriamanitra dia mampahafantatra antsika ireo loharanonkery ilaina mba hananana fiainana maha sambatra sy mivelatra : ny Soratra Masina (ny Baiboly) dia afaka mampahahendry anao ho amin’ny famonjena amin’ny finoana izay ao amin’i Kristy Jesosy (2 Timoty 3:15).