Asabotsy 26 Septambra 2026
Fa Ianao, Tompo ô, no tsara sady mamela heloka, ary be famindrampo amin’izay rehetra miantso Anao. Salamo 86:5
Nisy mpitondra fivavahana, resahina ao amin’ny Filazantsara nosoratan’i Jaona, nampisy fihaonana manokana faharoa teo amin’i Jesosy sy vehivavy iray :
— Nijaly ilay vehivavy : tratra nijangajanga izy, ary nentina vao maraina teo anatrehan’i Jesosy. Noresahina ny hoe hotoraham-bato izy. Nampidirina tan-kerisetra tao anatin’izany Jesosy, mba hahitana raha hanameloka azy ho faty : „Fa ahoana kosa hoy Ianao ?” Herisetra toa inona moa ! fanambaniana, manoloana ireto mpiampanga rehetra tsy azo ivalozana !
— Noraisin’i Jesosy ho zava-mahaliana ny olan’ilay vehivavy : nahodin’i Jesosy ny fifantohan’ireo mpivavaka mba tsy hihevitra ilay vehivavy Jesosy ; nasehony ny hakanosan’izy ireo. Niondrika Izy ary nanoratra teo amin’ny tany tamin’ny rantsantanany, mba hananan’izy ireo fotoana hieritreretana. Avy eo dia nitsangana Izy ary niteny tamin’izy ireo hoe : „Izay tsy nanota eo aminareo no aoka hitora-bato azy voalohany”.
— Nanatona tamin’ny toetra maha olona Azy Izy : niondrika indroa Izy mba hanoratra eo amin’ny tany amin’ny rantsantanany.
— Rehefa nanoloana irery an’i Jesosy ilay vehivavy, dia niresaka tan-kalalahana : Nanontany azy Jesosy hoe : „Ravehivavy, aiza ireny ? Tsy nisy nanameloka anao va ?”, dia novaliany hoe : „Tsy misy, Tompoko”.
— Nanome hafatra mifono fanantenana Izy : „Izaho koa dia tsy manameloka anao ; mandehana, ary amin’izao sisa izao dia aza manota intsony”. Ny fahasoavana nomen’ny Tompo dia hanampy azy, manomboka eo, hanalavitra ny ratsy, ao anaty fiainana ankatoavany an’Andriamanitra.
— Naneho ny tenany amin’ny maha Tompo Azy Izy : manana fahefana hamela ny fahotana.