Zoma 25 Septambra 2026

Ary hoy Jesosy taminy : Anaka, ny finoanao no nahasitrana anao ; mandehana soa aman-tsara. Lioka 8:48

Jehovah dia eo akaikin’izay rehetra miantso Azy… ary hihaino ny fitarainany ka hamonjy azy. Salamo 145:18-19

 

Jesosy, dokotera ve ?

Mifanesika ho eo amin’i Jesosy ny vahoaka. Maro ny liana hahita Ilay manao fahagagana, Izay resahin’ny olona rehetra. Tao anatin’ny vahoaka dia nisy vehivavy iray tsy nisy nahafantatra, nijaly, narary efa ho roambinifolo taona, niroso nankeny amin’i Jesosy. Efa nanatona mpitsabo maro izy, nanandrana ny fitsaboana rehetra azo natao, nefa dia tsy nisy vokany : vao mainka nihombo aza ny aretiny. Ambonin’izany, efa nandany izay rehetra nananany izy, ka tsy manana na inona na inona intsony, very fanantenana.

Ianao koa ve tapi-dalan-kaleha, marary ao amin’ny vatanao na ao amin’ny fanahinao, irery ao anatin’ny olanao, tsy manana fanantenana hihatsara ? Inona sisa no azonao atao ? rehefa nikaroka ny vahaolana rehetra nefa tsy nahomby.

Nahare resaka momba an’i Jesosy ity vehivavy ity, ary nisisika hankeny aminy. „Na dia ny sisin’akanjony ihany aza no voakasiko, dia ho sitrana aho”, hoy izy anakampo. Marina ve ny azy ? nino ny herin’i Jesosy. Dokotera angaha Izy ? Tena afaka mamaha ny olany ve ?

Sady nangovitra izy no nanatona, nanatsotra ny tanany, ary nikasika an-tsokosoko ny moron-tongotr’akanjon’i Jesosy, toy ny nivavaka… Teo no ho eo ihany dia sitrana izy. Fantany izany, satria tsapany tao anatiny. Nitodika Jesosy, ary nanontany hoe iza no nikasika ny fitafiany. Nambaran’ilay vehivavy teo anatrehan’ny olona rehetra ny fomba nahasitranany, ary lasa nandeha izy, nomban’ny fampaherezana nomen’i Jesosy azy.

Mbola tsy niova Jesosy ankehitriny. Izy no Ilay Zanak’Andriamanitra, Tsitoha, ary te hanampy anao. Izay nataony ho an’io vehivavy io dia hainy hatao ho anao koa, raha izany no sitrany. Nefa ny sitrapony voalohany, aloha, dia ny hanasitrana ny fonao, amin’ny hampitoerany ao ny fiadanany („mandehana soa aman-tsara”). Manatòna Azy ! amina vavaka manokana ataonao.