Alakamisy 24 Septambra 2026

Tahaka ny nidiran’ny ota avy tamin’ny olona iray ho amin’izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran’ny fahafatesana, ka nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra. Romana 5:12

Izao no nisehoan’ny Zanak’Andriamanitra, dia ny handrava ny asan’ny devoly. 1 Jaona 3:8

 

Tena zava-doza tokoa ve ?

Tsy nankatò an’Andriamanitra i Adama sy Eva, ka nihinana ny voan’ny hazo voarara. Dia tafiditra teto amin’izao tontolo izao ny ota, ary niaraka taminy ireo fijaliana sy ny fahafatesana. Lazaina indraindray ny hoe : Izany rehetra izany ve dia noho ny fihinanana voankazo iray fotsiny ? Tena zava-doza tokoa ve izany ?

Andriamanitra dia nametraka an’i Adama sy Eva tao anaty saha mahafinaritra iray, ary nanome azy ireo ny antony rehetra tokony hatokiana Azy. Rehefa norarany izy ireo tsy hihinana ny voa avy amin’ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy, dia nampahafantariny mazava tsara ny ho vokatr’izany : „Amin’ny andro izay ihinananao azy dia ho faty tokoa ianao” (Genesisy 2:17). Satana anefa dia sahy nanohitra ny tenin’Andriamanitra. Nanisika hevitra mihitsy aza izy hoe Andriamanitra dia tsy te hanome zavatra tsara an’i Adama sy Eva (jereo Genesisy 3:4-5) ; ary nino ilay „mpandainga sady rain’ny lainga” (Jaona 8:44) izy ireo. Naleony nisalasala momba ny hatsarampon’Andriamanitra, toy izay natoky Azy. Faniratsirana Ilay Mpahary azy ireo anie izany e !

Dia tokony ho gaga ve isika, manoloana ny fahavoazana mafy nentin’izany ? Ny olona dia ninia nisafidy an’i Satana ho tompony, Satana nanjary „andrianan’izao tontolo izao” (Jaona 14:30). Noporofoin’ny tantaran’ny zanak’olombelona fa i Satana dia tompo lozabe izay tsy maniry velively ny haha sambatra ny olona, fa miezaka kosa hitarika azy ho amin’ny fahoriana, lavitra an’Andriamanitra. Ho sahintsika ve ny hiampanga an’Andriamanitra ho nahatonga ireo fizahan-toetra iaretan’ny zanak’olombelona ?

Izao no mahatalanjona : niantra antsika Andriamanitra. Eny, tena zava-doza izaitsizy ny faniratsirana natao an’Andriamanitra, tamin’ny alalan’ny fahotan’ny olombelona, hany ka tsy maintsy nilaina ny sorona nataon’i Jesosy Kristy teo amin’ny hazofijaliana, mba hanafahana antsika amin’ny herin’ny devoly (Hebreo 2:14-15), sy hanomezana fiadanana antsika.