Alarobia 23 Septambra 2026
Jehovah niteny nifanatrika tamin’i Mosesy, tahaka ny olona miresaka amin’ny sakaizany. Eksodosy 33:11
Indro, efa mitsangana eo am-baravarana Aho ka mandondòna ; raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy Aho ka hiara-misakafo aminy, ary izy amiko. Apokalypsy 3:20
Isaky ny manana olana i Luc keliko, dia izaho rainy irery ihany no heveriny ho afaka mamaha izany. Sondriana mitsara taratasim-panadinan’ny mpianatra aho, no miato mba handranitra ny pensilihazony, hanome azy taratasy, tapa-tady kely, na hety… ampanantenainy fa haveriny ! Ka rehefa tsy hadinony, dia mahatonga fihaonana fanindroany aminy.
Io maraina io dia nisy dondòna moramora intelo indray tao am-baravarana : ilay zanako kely.
— Mandrosoa, Luc a, inona no ilainao e ?
— Tsy misy na inona na inona, ry Dada a, mba te ho eo anilanao fotsiny aho.
Dia nipetraka teo amina toerana iray izy, milamina tsy maninon-tsy maninona ; izaho manohy mitsara ireo taratasim-panadinan’ny mpianatro.
Fa tamin’io andro io kosa, dia izaho no mpianatra, ary ilay zanako enin-taona no nanome lesona ahy : izaho ve mahay manatona Ilay Raiko any an-danitra am-patokiana sy fahatsoram-po, toy io zaza io ? Fa tsy rehefa anaty zava-manahirana ihany ! Mazava ho azy fa tsy hanidy ny varavarany amiko Izy, ary hamaly ny vavako, raha mahasoa ahy izay angatahiko aminy. Nefa mba haiko koa ve ny mitady tsotra fotsiny ny fiarahana aminy, mahazo aina amin’izany, mifampizara teny vitsivitsy aminy ? Izany no antsoin’ny Baiboly hoe „firaisana” (fiombonana) : tia mifanakaiky amina olona tia antsika sy tiantsika.
Ry namana kristiana, ndao hamaky ny Baiboly, ny Tenin’Andriamanitra, tsy hoe mba hahazo fampianarana fotsiny, fa indraindray koa, mba hihaino tsotra izao ny feon’ny Tompo, sy hamaly Azy hoe tia Azy isika !