Talata 22 Septambra 2026

Ankino amin’i Jehovah ny làlanao, ary matokia Azy, fa hataony tanteraka. Ary hampiseho ny fahamarinanao tahaka ny mazava Izy, ary ny rariny ho anao tahaka ny mitataovovonana. Miantombena tsara miandry an’i Jehovah ianao, ka manantenà Azy. Salamo 37:5-7

 

Tsy ara-drariny

Tany am-piandohan’ny fivavahana kristiana, ny apostoly Paoly sy Silasy dia nogadraina satria niresaka momba ny finoan’izy ireo. Niaraka tamina mpifatotra hafa izy roa lahy, nefa na nomelohina tsy ara-drariny aza, dia nihira fiderana teo anatrehan’ny rehetra, na namatonalina aza ! (Asan’ny Apostoly 16:25).

Niteny i Paoly, indray andro, hoe nandao azy avokoa ny namany rehetra, nefa Jesosy kosa nitsangana teo anilany, tao an-tranomaizina (2 Timoty 4:17). Tsia, Jesosy dia tsy voatery hanitsy ny tsy ara-drariny eto amin’izao tontolo izao, nefa kosa tena manolotra tokoa ny fanatrehany, ka tsapan’izay mijaly fa zavamisy io fanatrehany io. Ary hainy atao ny manova tranomaizina ho toerana hihirana fiderana !

Marina fa Jesosy tenany dia niharan’ilay hadisoam-pitsarana ratsy indrindra tamin’ny vanimpotoana rehetra. Izy, Ilay hany marina teto an-tany, Ilay hany tsy tokony ho nohelohina na oviana na oviana, Ilay hany tsy nanao afa-tsy ny soa ho an’ny hafa, dia nohelohina ho faty… Nefa tsy mba nitaraina noho izany tsy rariny izany Izy, fa nangataka an’Andriamanitra kosa mba hamela ny helok’ireo mpampijaly Azy, ary koa namaly ny antsoantson’olona iray nibebaka, izay voaheloka satria nandika ny lalàna. Nomen’ny Tompo antoka izy fa hiaraka aminy any am-paradisa, ny androtr’io ihany (Lioka 23:43).

„Kristy aza efa nijaly hamonjy anareo, ka namela fianarana ho anareo, mba hanarahanareo ny diany ; ’Izay tsy nanota akory, sady tsy nisy fitaka teo am-bavany’ ; raha notevatevaina Izy, dia tsy mba nanevateva ; raha nijaly, dia tsy nandrahona, fa nanolotra ny adiny ho amin’ny Mpitsara marina” (1 Petera 2:21-23).