Alatsinainy 21 Septambra 2026
Fa mahatoky ny Tompo, Izay hampahery sy hiaro anareo tsy ho azon’ny ratsy. 2 Tesaloniana 3:3
Andriamanitry ny fahasoavana rehetra… no hahatanteraka sy hampiorina ary hampitoetra anareo. 1 Petera 5:10
Mandalo fotoana maha kivy ny tsirairay mandritra ny fiainany, eo amina lafiny samihafa : fahasalamana, fianakaviana, asa, fifandraisana, filàna ara-karena… Na ireo olona nampiseho matetika fatokiana lehibe ny Tompo aza, dia mety hanaiky hotafihina eritreritra tsy mampandroso : miezaka hitondra samirery ny vesatra manontolon’ny asany andavanandro, tsy manana intsony ilay hetsika mandeha ho azy hitady ny fanatrehan’Andriamanitra… Ampiasain’i Satana ihany koa ny fahakiviana, hamelezany ireo kristiana. Fantany fa raha mahavita manakivy antsika izy, dia hihamarefo ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra, mbamin’ny asa anirahana antsika ho vavolombelon’ny Kristy.
Raha mihazona fahotana iray ao amin’ny fieritreretantsika isika, dia afaka ampiasain’i Satana ihany koa izy io, handentehany sy hanakiviany antsika. Ny fiekena azy io tsy misy hataka andro amin’Andriamanitra, Izay mamela heloka be dia be, no hanakana antsika tsy ho voatafika indray, sy hanafaka antsika.
Raha mihamarefo ny finoantsika, ny Tompo Jesosy kosa dia tsy miova, mahatoky, ary mivavaka tsy an-kiato ho antsika. Aza manaiky ho kivy isika. Amin’ny famakiana ny Tenin’Andriamanitra sy ny vavaka, ndao hanatona Azy, na dia mahatsiaro lalina ny fahalementsika aza. Ny Tompo ve mba te hampahatakatra antsika hoe tsy tokony hatoky tena isika ? Taominy àry isika hiantehitra aminy : „Andriamanitra tokoa no iantombenan’ny fanahiko ; avy aminy ny famonjena ahy” (ny fanafahana ahy). „Jehovah no fiarovana mafy ho an’ny aiko”. Hoy Izy amintsika : „Matokia”. „Mahereza ao amin’ny Tompo sy amin’ny herin’ny faherezany” (Salamo 62:1 ; Salamo 27:1 ; Asan’ny Apostoly 23:11 ; Efesiana 6:10).