Alahady 20 Septambra 2026

Nitsangana Jesosy ka niantso nanao hoe : Raha misy olona mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy ka hisotro. Jaona 7:37

Aoka ho avy izay mangetaheta ; ary izay mety, aoka izy hisotro maimaimpoana amin’ny ranon’aina. Apokalypsy 22:17

Andriamanitra ô, Andriamanitro Ianao ; mitady Anao fatratra aho ; mangetaheta Anao ny fanahiko. Salamo 63:1

 

Hetaheta

Mamaly ny filantsika lalina ve izao tontolo izao sy ny fiarahamonina ankehitriny ? Olona maro no mangetaheta harena. Ny sasany manindrahindra ny fitoviam-bintana : mangetaheta rariny isika. Eo anivon’ny kolikoly sy ny lainga, isika dia mitady ny marina. Ambonin’ny zavatra rehetra, eo amin’ny fifaneraserantsika, isika dia mangetaheta fitiavana tena izy, tsy misy fihatsarambelatsihy.

Iza no handà tsy hiala hetaheta ? Hoy Jesosy : „Raha misy olona mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy ka hisotro”. Maneho ny tenany amin’ny olona tsirairay mino Azy Izy, ary mamaly azy.

Jesosy tokoa mantsy dia olona, toa antsika rehetra, saingy tsy misy ota. Tsy nanao tahaka antsika Izy, tsy nanao ratsy na iray aza. Izy, Izay Andriamanitra hatrizay hatrizay, dia nidina tetỳ an-tany, nanjary olona, mba hanambara ny fitiavan’Andriamanitra. „Nandehandeha nanao soa” Izy (Asan’ny Apostoly 10:38).

Niaina mandrakariva tamin’ny fanaovana izay marina amin’Andriamanitra Izy. Nanaiky hosazina mihitsy aza Izy, nisolo toerana antsika, nafoin’Andriamanitra, nizaka ny vokatra ara-drariny nateraky ny asantsika sy ny tsy fankatoavantsika ny Lalànan’Andriamanitra.

Nanambara ny tenany mihitsy ho ny fahamarinana Izy. Izy no Ilay milaza amintsika ny zavatra rehetra ilaintsika ho fantatra momba antsika, momba ny fiainana, momba ny fahafatesana, momba ireo fitakian’Andriamanitra sy ny fifandraisantsika aminy.

Jesosy no Ilay fitiavana hita vatana, tonga hanao sorona ny tenany mba hanafaka tsy hiharan’ny fitsarana sy ny fahafatesana ireo rehetra mitoky aminy, ary mba hanome azy ireo fiainana mandrakizay. Niroso hatramin’ny farany Izy, tsy nandà na oviana na oviana izay zava-dehibe indrindra amin’Andriamanitra. Tamin’ny nahafatesany sy ny nitsanganany velona indray no nanehoany feno ny fitiavana sy fahamarinan’Andriamanitra.