Asabotsy 19 Septambra 2026

Jesosy namaly ka nanao taminy hoe : Raha fantatrao ny fanomezan’Andriamanitra sy Izay miteny aminao hoe : Omeo Aho hosotroiko, dia ianao no ho nangataka taminy, ka nomeny rano velona. Na iza na iza no misotro ny rano izay homeko azy dia tsy hangetaheta mandrakizay. Jaona 4:10, 14

 

Jesosy miresaka amina vehivavy mijaly (1)

Ilay vehivavy Samaritana (Jaona 4:1-30)

Ao amin’ny Filazantsara nosoratan’i Jaona, Jesosy dia niresaka manokana tamina vehivavy dimy, ankoatra ny fifampiresahany tamin’ny reniny.

Ny vehivavy voalohany dia anisan’ny vahoaka Samaritana, izay tsy nifandraisan’ny Jiosy. Teo am-pantsakana ny fihaonana, tao anaty hafanan’ny mitataovovonana.

— Nanatona araka ny toetra maha olona Azy Jesosy : „Satria sasatra Jesosy tamin’ny nalehany, dia nipetraka teo am-pantsakana Izy.”

— Nanoloana an’i Jesosy dia niresaka tan-kalalahana ilay vehivavy Samaritana : „Nahoana Ianao no Jiosy ka mangataka amiko hosotroina, nefa aho vehivavy Samaritana ?”

— Nijaly ilay vehivavy : „Tsy manambady aho”, hoy izy namaly Ilay mahalala ny fiainany manontolo, fomba mangingina hirosoana amina resaka maharary, satria nanambady indimy izy ary miara-miaina amina lehilahy iray fahenina. Fiainana sarotra, fifandraisana „ivelan’ny fanambadiana ara-dalàna”. Fijaliana miharo henatra.

— Noraisin’i Jesosy ho zava-mahaliana ny olan’ilay vehivavy : „Marina ihany izay nolazainao hoe : Tsy manambady aho”. Nampamoaka ny marina Izy, nefa tsy nanameloka azy.

— Nanome hafatra mifono fanantenana Izy : „Avy ny andro, sady tonga ankehitriny, raha ny tena mpivavaka (ny tena mpitsaoka) hivavaka amin’ny Ray (hitsaoka ny Ray) amin’ny fanahy sy ny fahamarinana ; fa ny Ray koa mitady ny mpivavaka aminy (mpitsaoka Azy) ho tahaka izany.”

— Naneho ny tenany amin’ny maha Tompo Azy Izy : „Ny Mesia… Izaho Izay miresaka aminao no Izy.”

— Farany, nijoro ho vavolombelon’ny fihaonany taminy ilay vehivavy : Rahavehivavy … „nankany an-tanàna ka nanao tamin’ny olona hoe : Andeha hizaha izaroa Lehilahy izaroa, Izay nilaza tamiko ny nataoko rehetra ; Izao angaha no Kristy ?” Tsy menatra intsony izy, nafahana izy !

(hitohy amin’ny heriny)