Zoma 18 Septambra 2026
Ary Jehovah nandeha teo alohany tamin’ny andry rahona raha antoandro, hitari-dàlana azy, ary tamin’ny andry afo nony alina, ho fahazavana ho azy, handehanany andro aman’alina. Ny andry rahona tsy niala teo alohan’ny olona raha antoandro, na ny andry afo nony alina. Eksodosy 13:21-22
Andiana mpanao diabe maro no namakivaky ilay taniefitra. Andriamanitra tenany mihitsy no milaza azy io hoe „lehibe sady mahatahotra” (Deoteronomia 8:15). Nefa hatramin’izay dia mbola tsy nisy vahoaka marobe voarafitra lehilahy sy vehivavy ary ankizy mbamina andiam-biby maro toy izany ! Tsy nisy lalana teo anoloany, tsy nisy tsato-kazo mpanondro, tsy nisy olona nakàna hevitra ! Mizotra ho any amin’ny tany nampanantenaina azy ilay vahoaka marobe, tsy afaka niantehitra afa-tsy tamin’Andriamanitra.
Izao tontolo izao ve tsy taniefitra ihany koa ? ho an’ny mpino mizotra ho any an-danitra. Nefa izy afaka miantehitra amin’ny Tompo, Izay niteny hoe : „Izaho no làlana” (Jaona 14:6). Isika dia tokony hanaraka an’i Jesosy, toy ny nanarahan’ny Israelita ny rahona fahiny.
Mora tenenina erỳ izany ! Milaza angamba isika hoe „manaraka ny rahona”. Nefa ve isika, raha ny tena marina, indraindray tsy mangataka ny rahona hanaraka antsika ? Ohatra, rehefa miroso amina asa sasantsasany isika, sady miezaka mandresy lahatra ny tenantsika fa manao ny sitrapon’Andriamanitra.
Andriamanitra dia feno fahasoavana, faharipo, ary fitiavana. Toy ny nitantanany ny vahoakany fahiny, dia maniry Izy ankehitriny hitarika am-pitiavana ny zanany eo amin’ny lalan’ny fiainan’izy ireo : „Hanome saina anao sy hampianatra anao izay làlan-kalehanao Aho ; hitsinjo anao ny masoko, ka hanolo-tsaina anao Aho” (Salamo 32:8). Ny lalan’Andriamanitra no azo antoka indrindra, lalana misokatra nomanin’Andriamanitra tenany mihitsy, Izay mahafantatra ny hiafarana zavatra, mialoha ny hiantombohany. Noho izany isika dia afaka matoky tanteraka an’Andriamanitra. Hanampy antsika ny Fanahy Masina, mba hamantarantsika ny lalana nosoritan’Andriamanitra am-pitiavana ho antsika.