Alakamisy 17 Septambra 2026
Efa nataoko teo anoloanao ny fiainana sy ny fahafatesana … koa mifidiana ny fiainana, mba ho velona ianao … dia ny ho tia an’i Jehovah Andriamanitrao ianao ka hihaino ny feony sy hifikitra aminy. Deoteronomia 30:19-20
Tandremo ny fonao, mihoatra noho izay rehetra tokony hotandremana ; fa avy ao aminy no iavian’ny aina. Ohabolana 4:23
Fantatsika tsara fa ny fiainana dia fifandimbiasana safidy. Misy safidy madinika atao isanandro, tsy azo an-tsaina akory, ary koa safidy mitera-bokatra mavesa-danja kokoa, safidy iankinan’ny fiainana manontolo.
Ao amin’ny Baiboly, Andriamanitra dia maneho ny tenany ho tsitoha, marina, masina, araka ny maha Andriamanitra fitiavana sy fahasoavana Azy… Nefa ihany koa araka ny maha Andriamanitra mamela antsika ho tompon’andraikitra, tompon’andraikitra hanatona Azy. Ny tsy fanatonana Azy dia mitovy amin’ny hoe mitonon-tena hanohitra Azy…
Apetrak’Andriamanitra eo anoloantsika ny fiainana sy ny fahasambarana, andaniny, ary ny fahafatesana sy ny fijaliana, ankilany. Nefa mazava ny safidy : angatahiny isika hisafidy ny fiainana ! Efa nataon’Andriamanitra ny zavatra rehetra, mba ho sambatra ireo lehilahy sy vehivavy noarìny, ho sambatra eto amin’izao fiainana izao sy any ankoatra. Ho amin’izany Izy dia tonga hatramin’ny nanolorany an’i Jesosy Kristy ho sorona. Nefa tsy maintsy „mandre ny teniny” isika ! Tsy maintsy mino fa nasehon’Andriamanitra ny fitiavany, tamin’ny nanomezany an’i Jesosy Kristy. Mino fa tamin’izany isika dia nahazo avy amin’Andriamanitra ny famelana ny helotsika. Mino Azy mba hanana ny Fiainana, ilay tena izy, ilay tsy mba anenenana !
Taomin’Andriamanitra ihany koa isika „hitandrina ny fontsika”. Ny toe-pontsika no mamaritra ireo safidintsika andavanandro, mamaritra ny avalintsika ireo zava-misarika samihafa eo anoloantsika : ny fisafidianana namana, teny holazaina, asa fivelomana… Hamela heloka ve aho sa hitady hamaly faty ? Hitia ve sa hanao an-dolompo ? Hiantra olona sa tsy hiraharaha ? … Tsy voafetra ny safidy azo atao. Ndao handray ny fanapahan-kevitra tandrify, ary… hitandrina ny fontsika mihoatra noho ny zavatra rehetra ! Ndao hahitsy eo anatrehan’Andriamanitra, ndao hitia Azy : izany no lalan’ny fahasambarana.