Alarobia 16 Septambra 2026

Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny Zanany Lahitokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay. Jaona 3:16

Izay tena sakaiza tokoa dia tia amin’ny andro rehetra. Ohabolana 17:17

 

Manatontosa alohan’ny hitenenana

Vao tonga tany amina faritra hafa eto amin’ity tany ity i Tim, niaraka tamin’ny ray aman-dreniny, ary somary verivery ihany. Nefa izy dia nanjary nifankahazo tamin’i Muhammad, ankizy iray ao amin’ny trano lehibe nonenany. Indray andro dia nofonosin’i Tim tamina takelaka norovitiny avy tamin’ireo kahieny ny kilalaony vitsivitsy. Niomana hivoaka izy, nanafinafina ireo fonosana tao ambany heliny. Hoy ny navaliny an-dreniny, izay gagagaga :

— Tiako hatao fanomezana ho an’i Muhammad ireto. Hitanao, soavaly iray vita amin’ny plastika fotsiny no mba ao amin-drizareo… ary efa potika aza. Izaho manana kilalao maro, mba te hanome an’i Muhammad !

Nanaiky i neny, na dia nahafantatra aza fa tsy ho afaka hanolo azy ireo. Nohazavainy an’i Tim izany, ka azon’i Tim an-tsaina ny fatran’ny fihafiana hiaretany ; nefa notanany ny fikasany, ary lasa izy nihazakazaka hanolotra ilay fanomezany. Rehefa afaka kelikely dia niverina i Tim, nitondra voninkazo iray teny an-tanany. Nahofahofany ilay izy, tahaka harena sarobidy :

— Tena tian’i Muhammad ireo kilalao. Dia nivoaka izy hitady hazo hetry misy voniny. Naka voninkazo iray izy, nomeny ahy !

Mihoatra noho ny voninkazo ilay izy, tamin’i Tim. Io dia fihetsika an-kitsimpo mitory ny maha sakaiza an’i Muhammad. Io voninkazo io dia nipetraka teo an-toeram-boninahitra teo ambony latabatra an-dohampandrianan’i Tim, fotoana lava taorianan’izy efa nalazo.

Andriamanitra dia mahafantatra an’i Tim, ary nanome azy izay nilainy indrindra, any amin’ilay firenena vaovao misy azy : namana iray. Fa i Muhammad koa dia nomeny namana vonona hanao sorona lehibe ho azy, namana afaka hiresaka aminy momba Ilay Andriamanitra fitiavana.

Ohatra tsara halain-tahaka amin’ny vanimpotoana rehetra izany. Raha asehontsika avy hatrany amin’ny namantsika ny fitiavan’Andriamanitra, dia ho mora kokoa amintsika ny hampahafantatra azy ny Filazantsara !